ven.

14

janv.

2011

Tsy hanin-kahavoky...

Anio no fotoana voalaza fa hifampiarahaban’ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita amin’ireo manamboninahitra sivily sy miaramila ary ireo masoivohon’ireo firenena vahiny izay monina sy miasa eto amintsika (izay voaasa na izy ho avy aloha e). Fotoana rahateo hanomezam- boninahitra ny filoha mivady amin’izao fahatratrarana ny asaramanitra izao. Olona an’arivony no nasaina amin’izany. Raha araka ny fanadaharam-potoana efa any anatin’ny fanasana dia hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro ny fotoana ary amin’ny 2 ora ny fandraisana ireo vahiny nasaina. Toy ny isan-taona, sy araka ny fandaharam-potoanan’ny fety toy izao, tamin’ireo filoham-panjakana nifandimby teto Madagasikara, dia misy hatrany ny kabary isan-karazany hifanaovan’ny tompom-panasana sy ny solontenan’ireo vahiny nasaina. Aorian’izay dia misy hatrany ny fiarahamisakafo arahina lanonana sy korana..............

Tsetsatsetsa tsy aritra no hanamarihana ny ora hanombohan’ny fotoana ho amin’ny folakandro. Angamba hialana amin’ny fifanosehana sy filaharana ary fifandriatana sakafo mbamin’ny zava-pisotro izany, satria tsy maintsy hanao voky avy any an-tranony amin’ny anjara sakafony antoandro ireo vahiny vao hitodi-doha ho eny amin’ny lapampanjakana Iavoloha. Mety ho voafehy kokoa amin’izay ny filaharana isaky ny latabatra ary ho vitsy sisa ireo tantine sy tonton sachet, dia ireo efa zatra mivimbina harona sachet hasiana sy hanitrihana sakafo entina mody. Tsy haninkahavoky marina fa voninahitra hifanomezana. Saingy, na izany aza, rehefa tsy vary sy laoka ve, tsy ho tsakitsaky sy mofogasy ary ramanonaka? Tsy vao mainka koa aza ve hahamora ny fitondrana azy? Ny tsy aritra mantsy, amin’ny lanonana toy itony, izay hiheverana fa sakafo tsy nialambola na hoe tsy avy aiza fa avy amin’ny volan’ny vahoaka ihany, dia ny fanararaotana. Fa ankoatra izay rehetra izay, raha toa ka lanonampifampiarahabana no atrehana, eo ihany koa ny fifampijerijerena. Namana sa fahavalo? Akama sa mpisam’? Voninahitra ifampizarana no ho ao Iavoloha, fa ny kibay an-kelika ihany. Tsy ho amin’ny herinandro tokoa ve no hivoaka, raha sitrapon’ireo mpanao politika eto amin’ny tanàna, ny anaran’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta? Ka iza amin’ireo tonga eo ireo ary no hamoky tena sy hameno paosy vaovao?

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    toovs (lundi, 17 janvier 2011 21:50)

    fahatrarana no izy ry mpanao gazety fa tsy fahatratrarana izany an. tsy aleo ve mba hajaina tsara ny tenin-dreny e.
    atoandro koa fa tsy antoandro, koa raha tsy olona sima ka hiteny antonadro.
    atrehina koa fa tsy atrehana.
    oviana koa ny teny gasy no misy "accent grave" "tanàna"

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra