Mitohy hatrany ny fifanenjehana eo amin’ny tompon’andraikitry ny tanàna sy ireo mpivarotra eny amoron-dalana amin’iny faritra Analakely iny. Tsikaritra mantsy omaly fa dia nihaodihaody teny an-toerana ireo mpiasan’ny fivondronana nandroaka ny entan’ireo mpivarotra izay mbola minia mamelatra ny entany eny amin’ny faritra izay natokana ho an’ny mpandeha antongotra iny. Velon-taraina ireo mpivarotra izay sendra tafaresaka taminay amin’ny fakahana an-keriny ireo entana amidin’izy ireo izay marihana fa hatao antoka any amin’ny mpaninjara maromaro eto Andrenivohitra...............
Raha ho an’i Mariette, mpivarotra poketra iray ohatra, dia nanambara izy fa efa ho tapa-bolana izao no tsy afaka nanao ny asany malalaka firy intsony. “Amin’ny maha olom-belona ny tena, tsy maintsy mba manokona kely rehefa ao an-trano ary ny ankizy tokony mianatra ihany koa, noho ny tsy fananan’asa no mahatonga anay mivarotra ety” hoy ihany izy. Tsy fantatra intsony kosa hoy Fanja raha toa ka tena olona avy ao amin’ny fivondronana marina ny sasany amin’ireo olona izay mangorona ireny entan’izy ireny, fa betsaka ireo mpanararaotra amin’izao fotoana. “Tsy misy badge mba hamantarana fa tena tompon’andraikitra avy amin’izany tokoa mantsy izy ireo fa rehefa te haka entana, dia lasa manao fidinana eny an-tsena ary maka izay tiany”hoy ihany ity farany. Maro amin’ireo olontsotra kosa no nilaza fa mety amin’izy ireo tokoa izao fanapahan- kevitra noraisina izao satria tsy misy fitohanana firy intsony raha eo amin’ny lafiny fifamoivoizana no asian-teny, ary ny mpanendaka aza amin’izao dia toa matahotra manao ny asany ratsiny nohon’ny fahalalahan’ny lalana. “Tokony mijanona maharitra eny amin’iny faritra iny hatrany ireo fivondronana fa tsy mandalo fotsiny, satria miverina eo ihany izy ireo vatany vao miala ireo olona mpisahana izany” hoy ihany ireto olona. Tokony mandray fepetra hentitra ireo tompon’andraikitra hoy kosa Andriamatoa Lucien, raim-pianakaviana iray, ohatra amin’izany ny handraisana ny kara-panondron’ireo tsy te hanara-dalàna ka raha toa ka tratra fanindroany ilay olona dia aleo alefa eny Antanimora. “Zatra fiainana gaboraraka loatra ny mahavoa antsika Malagasy ka tsy mahagaga raha toa ka mbola misy ihany ireo mafy loha sy ireo tsy mety fehezina.” hoy ihany izy Marihina fa tsy nanaiky ni r e s a k a t amina y i r e o tompon’andraikitra momba ny fanalana ireny mpivarotra ireny nandritra ny fanadihadiana izay natao omaly maraina teny amin’iny faritra Analakely iny. Tsy fantatray loatra ny tena antony. Raha ny fantatra amin’izao fotoana kosa dia efa eo am-pitadiavam-bahaolana momba ny toerana hametrahana ireto mpivarotra ireto ny tompon’andraikitra ka mila miharitra kely ny tsirairay.