ven.

14

janv.

2011

Asara eny Mavoloha: Ho sahy hanova ve ?

Fomba fanao isan-taona moa, ka dia tsy azo ihodivirana, ny fifampiarahabana nahatratra ny taona, hotanterahina etsy amin’ny lapan’i Mavoloha anio tolakandro. Hifampiarahaba amin-dRajoelina Andry, filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita (FAT), ireo olona an’arivony nasaina ho amin’izany, ary hiarahaba ny vahoaka malagasy noho ny « asara » ihany koa izy amin’ny kabariny. Ankoatr’izay zavabaovao mety hambaran’ny filohan’ny FAT momba ny fahitany ny toe-draharahampirenena sy izay fanapahankevitra ho raisiny manomboka mason’andro androany, dia hirary soa, hifampizara « teny mahafinaritra » ireo hifandimby handaha-teny. Vitan’izany ve anefa izy ity ?

Mbola hisy hihaino ? « Ny k ibo noana t s y manan-tsofina handre », hoy ny ohabolam-bazaha nadika malalaka. Efa nisinisy ihany, hoy ilay tsy mahay manisa izay, ny kabary re nandritra izay roa taona niainana tanaty krizy politika izay, fa izao mbola iaraha-miaina izao ny vokatr’ireny kabary ireny, na eo amin’ny lafiny politika izany, na ny sosialy sy toe-karena.

Malagas y lanak y ny sondro-bidim-piainana sy mikorontan-tsaina noho ny tsy fisian’ny fandriam-pahalemana iza sy aiza no mbola hanam-potoana hampi - fantoka ny sainy amin’izay kabary tsy hamaha haingana ireo olana ireo ? Ary iza no tsy resy lahatra ankehitriny fa ny krizy politika mbola mitoetra no rangory fototry ny afo zary araraotin’ny sasany niteraka ireo aretina mandoza mamotika ny fiainan’ny vahoaka malagasy ankehitriny ireo ? Hisy valiny mazava sy azo ampiharina avy hatrany avy etsy Mavoloha ve ny momba an’ireo anio ?

Mila krizy mivaha ! Ny fakana ny fahefana tsy manaraka ny ara-dalàna no fotot ry ny olana. Ny fizirizirian’ny mpanao politika – noho ny fanaovana « fiaron’amboalahy antitra » ny tombon-tsoan’izy ireo samirery - no mampihitsoka antsika ao anaty krizy. Raha toa mantsy ka fanovana ho amin’ny tombontsoam- pirenena marina no katsahina, tsy maintsy nahita fomba niadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana sy ny kere ary ny dangam-bidimpiainana ny mpitondra. Ary raha ireo mpanao politika milaza azy ho mpitondra ny hevi-bahoaka mitangorona manodidina ny mpitondra mpitarika azy ankehitriny ireo no lazaina fa « mahavaha ny olana », dia efa hita izao ny vokany : vary lafo vidy eny an-tsena, fandrobana, fanafihan-jiolahy tsy an-tsaha tsy an-tanàna, sns. Mila fahasahiana avy amin’ny mpitarika azy hanilika ireo dinta homan’omby mahita tombony amin’izao fahoriambahoaka izao izany, ary mila fanapahan-kevitra hentitra avy aminy raha tena hanova marina. Ho sahy ve anefa izy ?

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra