jeu.

13

janv.

2011

Oroka: Mahery setra kokoa ny lehilahy

Oroka voalohany ! Samy nanana ny fomba niainany izany ny tsirairay. Mety ho tany amin’ny alim-pandihizana, nidobodoboka be ny fo, maimaina ny molotra sy ny tanana … Tsiambaratelo izany. Navoakan’ny fanadihadiana britanika iray fa saika mahatsiaro ny 90%-n’ny pitsopitson- javatra natao nandritra ny oroka voalohany avokoa ny ankamaroan’ny olona. Io aza no voalaza ho manan-danja kokoa ao an-tsaina noho ny nahaverezana ny maha-virjiny. Ho an’ny manam-pahaizana iray, izay nanoratra boky mikasika ny oroka dia ny vehivavy no tena mankafy kokoa ny oroka noho ny lehilahy, na diso fanantenana ihany aza izy indraindray amin’ny vokany. Zavatra hafa mihitsy matetika no kendren’ny lehilahy anatin’ny oroka, dia ny firaisana ara-nofo. Ho an’ity mpikaroka ity ihany dia somary mahery setra kokoa ny lehilahy rehefa manoroka noho ny vehivavy. Toy ireny te hampita zavatra mahery vaika any amin’ilay vehivavy horohany ireny izy. Mety haha-latsa-pitiavana avy hatrany ny vehivavy iray ihany koa anefa ny oroka. Ny ankamaroan’ny vehivavy izay fantatra fa betsaka no diso fanantenana amin’ny oroka voalohany.

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    RAKOTOHASINORO (mercredi, 08 juin 2011 13:05)

    Am fotoana inona no azo adefasana sms ra ordinatuer

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra