mer.
12
janv.
2011
Ho roa taona atsy ho atsy no nanandra-tena ho eo amin’ny fitondrana ny mpitondra ankehitriny rehefa avy nanongana ny fanjakana nijoro ara-dalàna sy voafidimbahoaka an-tapitrisany. Roa taona toa tsy misy zava-bita fa feno fampanantenana milay be rano fotsiny. Amin’ny fo tsy miangatra aloha dia tsy misy afa-tsy ny lapan’ny tanàna, izay notokanana vao haingana, no hany fampanantenana vitan’izao fitondrana izao. Fony vao hirotsaka hofidiana ben’ny tanànan’Antananarivo ny filoha ankehitriny no nanao io fampanantenana hanarenana indray io lapan’ny tanàna io. Rehefa lany tokoa izy dia napetraka ny vato fototra. Na tsy tonga teny an-toerana aza ny filoham-pirenena tamin’izany fotoana, izay efa ben’ny tanàna teo aloha, dia nampanonona vola nisinisy ihany izy ho fanampiana ny mpitantana ny tanànan’Antananarivo izay renivohitry Gasikara sady iray amin’ireo kaominina anjatony manerana ny Nosy tamin’io andraikitra io. Teo koa ireo fanampiana avy amin’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena sy firenen-dehibe maro samihafa. Ary ny avy amin’ny vahoaka Malagasy afaka nanao izany.................
Nialoha io sy taorian’io dia niraradraraka ireo karazana fampanantenana isan-karazany. Toerana maro no nambara fa hanorenana kianja manara-penitra misy “tapis synthétique”. Eo koa ny fanorenana hopitaly manara-penitra. Tsy hay hadinoina ihany koa ny fanavaozana ny kianjan’Antsonjombe. Toerana maro ihany koa no notatatataina tamin’ny micro fahiny fa hanorenana seranam-piaramanidina lehibe tsy misy toy izany. Indrisy fa toa ireo takela-by manamafy ny fampanantenana amin’ny alalan’ny sary raitra dia raitra no hany sisa mijoro. Manginy fotsiny ireo fampanantenana isan-karazany ho an’ny foloalindahy, mpampianatra FRAM, hatramin’ireo rehetra niara-niasa tamin’izy ireo hatrizay. Inona anefa no efa tanteraka? Zovy no sahy hijoro vavolombelona fa nahazo an’izatsy na izaroa? Fa na ny tsena mora nentina hanampiana ireo vahoaka sahirana aza ange ka tsy araka ny fampanantenana hatrizay e! Nihena be tsy nisy ohatr’izany ireo entana sisa azon’ny tsirairay vidiana. Vitsiana azo isaina amin’ny rantsan-tanana rahateo sisa ireo tsena mora misokatra manerana ny Nosy fa toa zary nivangongo eto an-drenivohitra izany. Tany lavitr’andriana marina tokoa. Fa raha rendrarendrana fampisehoana maimaimpoana sy afomanga ary rano mifantsitsitra aloha dia isika no tokony ho lohalaharana maneran-tany amin’ny tanjaka. Izay arapaka any am-bava anio aza moa karohina rahampitso? Indrisy rafampanantenana fiovana sy fivoarana ary fandrosoana.