jeu.
13
janv.
2011
Efa mazava izany ankehitriny fa hatao ny zoma misandratra andron’ny 14 janoary 2011 izao ny fifampiarahaban’ny “ankizy” sy ny “raiamandrenin’ny firenena”. Fomba efa fanao nahazatra tao anatin’ny taona maro io, saingy ny fisehony no miovaova sy arakaraky ny fihetsiky ny mpitantana ny fitondrana nifandimby. Amin’ity indray mitoraka ity dia ho voasivana, tsy noho ny isany, ireo nasaina; fa noho ny hevitra ara-politikany sy ny fironan-kevitra arahiny. Tsy ny olon-drehetra akory no afaka hanatrika ny lanonana toy itony. Ny hery velona mampihodina ny raharaham-pirenena no omem-boninahitra. Mety ho miaramila, mpitondra fivavahana, mpanao afera, mpanao politika, olomboafidy… Mety ho tera-tany Malagasy ihany koa, na tera-tany vahiny. Marobe tsy hay ho tanisaina. Fa vitsy sy azo isaina amin’ny rantsan-tanana an’ila, raha hisy olona “tsinontsinona” na tantsaha, na mpihary madinika, na mpivarotra amorondalana, na mpivaro-tena. Hery velona no hifampiarahaba eny fa tsy hery ho velombelomina e!............
Tsy hisy masoivoho vahiny?
Efa mandeha ny siondresaka tamin’ny herinandro lasa, fa hiandry ny lamina arapolitika vaovao sy ny fitsanganan’ny andrim-pitondrana vaovao vao hifampiarahaba ireto hery velon’ny firenena ireto. Saingy indrisy moa fa “ela loatra ka mampieritreritra” ilay fikononkononana ny fitsanganan’izao “zavabaovao” izao. Dia tsy maintsy ireo efa «niseho télé» ihany izany no hiseho télé amin’ity indray mi torak a i t y k a hameno ny isa ho 3000. Tsy hisy “vahiny miasa sy monina eto amintsika” hanatrika ny lanonana amin’izany satria “malailay ifonosana” amin’ilay hery mpitondra eto amintsika izy ireo. Mihafahafa sy miavonavona koa ry zareo ireny ka tsy anisan’ireo nasaina, na mety hisy fanazavana hafa koa anie ao aoriana kely, fa hanaovana lanonana manokana ry zareo ireo e! Ireo Malagasy mpanotrona ara-politika ihany koa dia efa fantatra mialoha fa ireo efa “mpiarak’homana” sy mpanasohaso ihany no ho avy eny. Dia inona izany no ho firariantsoa haterak’izany? Sady tsy hisy vahiny hifanatrika amintsika, sady ireo ao an-trano efa mifankahita lava ihany no hifanabe tarehy eo?
Mahasahia milaza ny marina
Tsy misy antony tsy ilazàna ny marina amin’ireto namana hatrizay. Lazao azy fa kely sisa ny fotoana iarahana ka tsy maintsy hisampana ny zotra hodiavina. Tsy maintsy hisy amin’ireto mpanotrona ireto no “hisaorana” fa be ny vitany tamin’ny fitondrana avo. Tsy maintsy ny tombontsoampirenena no hobanjinina ka handamina ny ho fizotran’ny fifidianana ny «tetezamita vaovao». Mbola hitohy ny fizaràna toerana amin’ireo hery tsy tonga nanotrona, fa izay no didin’ny sehatra vahiny, raha tiana ny hahazo ny «fanampiana efa nahazatra » hatrizay. Aza menatra milaza fa tsy maintsy hitarina amin’ny olona vaovao sy hafa ankoatra ireto manatrika ireto ny tetezana hiampitàna. Lazao amin’ireo tsy afaka nanatrika fa sahirana ara-toekarena isika ka tsy maintsy hiafy hatrany. Tsy maintsy hitombo ny fahasahiranana eo amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny sosialin’ny mponina. Aza mampanantena karamabe, fa ny eo aza manahirana ny manatanteraka azy. Aza hadinoina kosa anefa ny mampanantena ny mpanatrika fa ho fanohizana ny dingana efa vita dia vonona ny hisedra fifidianana ny mpitarika ny tetezamita avo ankehitriny, ary mampanantena ny fanohizana ny ”asa” mbola hatao. Tonga dia tsory fa aleo hijanona tanteraka toy ilay fifidianana ben’ny tanàna ny amin’ireo solombavam- bahoaka, fa aleo ho «adin’olon-dehibe» avy hatrany no atao.
Tsy ho zava-baovao
Raha mbola tsy hisy ny filazana ny marina amin’ny tsy mandady harona dia hijanona ho fomba mahazatra fotsiny ny tonon-taona toy izao, ka tsy ho zava-baovao velively no andrasana aminy. Diska loaka, ka ny eo ihany no averimberina. Ho variana amin’ny “hanim-pitoloha” fotsiny ny mpanatrika ka very ao anaty fifaliana ny tena ady hevitra. Asa raha tsaroan’ny rehetra fa efa nisy nihevitra ny tenany ho “Moîzy” anie teto amintsika teto, rehefa fotoana toy izao e! Amin’izao fotoana izy (ilay Moïzy) indray no havotana fa tsy mba hanavotra ny mpiray rà aminy. Ho fakàna lesona, ho’aho, ny tantara fa tsy haingom-bata fotsiny.