jeu.

13

janv.

2011

Direktera mamafa lalana ?

Vaky vava izay rehetra sendra an’iny olona iny eny andalambe rehetra eny, raha ny eto Antananarivo Renivohitra no resahana. Iza moa no tsy mahafantatra fa saika isan’andro iny olona iny dia hita sy mateti-pitranga eo amin’ny fahitalavitra eo. Dia mifanontany tena izay rehetra mahita azy: Tsy Ingahy Radiry ve iny mirotsaka “mitari-tafika” eran’ny tanàna iny? Azafady! Diso kely izany resaka izany, fa tsy tafika ireto andian-kery vaovao tarihin’iny olona iny fa polisin-tsena. Henika azy ireo hatrany Andravoahangy any, ka hatrany Analakely sy Mahamasina, Anosibe, 67ha. Kamiô efa nolovaina tamin’ireo mpitantana samihafa teo aloha, miampy fiara Mazda vaovao be sy fiara 4X4 no ampiasaina hanenjehana ireto tsy tan-dalana , minia mivarotra amoron-dalana eto amin’ity renivohitra ity. Ny mpitazana dia tsy mahalala loatra izay fizaran-draharaha ao anivon’ny fitantanana ny renivohitra ao fa mahatalanjona ihany ny nahita iny olona iny, nandritra ny fetifety farany teo, nitarika andiana polisy (ilay nasiônaly) marobe nandrindra ny fifamoivoizana tetsy sy teroa. Dia iny olona iny mihitsy no namadika ilay lalana mandalo ny paositra 67ha iny ho azo hifanenana indray. Samy nigoka ny fisosan’ny fifamoivoizana ve ny mponina antanan- dehibe noho ny ezaka nataon’iny olona iny? Anjaranao no mamaly izany!............

Fa tsy mpivarotra amoron-dalana ihany no maty henjika, fa ao koa ireo mpanao “lavage”-na fiara etsy sy eroa. Tonga dia petahana ilay “faraingo vý” tsy ahafahany mihetsika izay fiara nosasana, na koa ratsy fipetraka sy manelingelina ny hafa, ary iny olona iny hatrany no tazana manara-maso izany ezaka goavana rehetra izany. Raikitra indray ny famafana ny arabe rehetra teny amin’ny manodidina an’Anosikely tamin’ity fiandohan’ny herinandro ity ary dia mbola io fa teny ihany koa iny olona iny. Tsy ny fandraisan’anjaran’iny olona iny amin’izany asa goavana atao eto izany no olana sy maharanga ny sofina fa ity firotsahana an-tsehatra toa saika isan’andro vaky amin’ny sehatra maro samihafa ity. Midika ve izany fa iny olona iny ihany no azo antoka fa mahafehy ny olona eo ambany fiadidiany? Ary tsy maintsy arahiny etsy sy eroa izy ireo sao misy be vinany? Izy ihany no havanana sy mahafehy tsara ny asa maha mpitantana? Izy no mahavita tsara ny serasera amin’ny mpampita vaovao? Izy no ambony fahalalana amin’ny fifamoivoizana an-dalam-be? Izy ihany koa no biby fampitahorana ireo mbola manohy ny fangalam- piery sy ny fandraofana entana? Ary dia mbola izy ihany koa no manana ny traikefa ambony amin’ny famafàna ny araben’Antananarivo? Tena mahery sy matanjaka izany iny olona iny? Manampahaizana tokoa iny olona iny, amin’ny lafiny maro, matoa natokisan’ny mpitantana ny tanàna ho Direktera ao amin’ny kaomina an-drenivohitr’i Madagasikara ao. Hainy tsara ny lalàna, ny tenim-pirenena hafa, ny fiarovana olona ambony eto amin’ny firenena. Fa vao mainka nampiaka-daza azy ity fandraisan’andraikitra tsy manampaharoa eto amin’ny tanàna. Azo antoka fa raha hiroso amin’ny sehatra politika iny olona iny ao aoriandriana ao dia inoana fa afaka mifaninana tsara amin’ireo ngezalahy sy efa fantsy. Tsy sarotra aminy tsinona ny manome môdely sy ho fakan-tahaka amin’ireo asa marobe efa nataony hatrizay. Ary mety ho voalohany eo amin’ny tantara no hisy ben’ny tanàna handray kifafa sy hisikotra lakan-drano rehefa tonga izay fotoana izay. Matezà ny aina ry iny olona iny fa ilain’ny mponin’ny renivohitra ny toa anao, saingy tsarovy koa fa betsaka koa no mivonto ny orony vao mahita anao miedinedina famindra toa io. Mahay ny zava-dehetra, mahafehy ny zava-drehetra, saingy iangonan’ny alahelon’ireo mba very fihinana kely sy mitady ny harapaka isan’andro. Manahirana tokoa ny miaina e! Dadan’i Ranto

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra