mar.

11

janv.

2011

Tetezamitatra: Halavalavao hanjakàna

Tsy hay intsony, izay hiafaran’ity tetezamita ity. Raha ny fanirian’ny maro, dia hifarana anio, satria tsy hisy olona haniry hiasa ambony tetezana izany. Ny fepetra hametrahana ireo andrimpanjakana ho amin’ny repoblika faha-efatra anefa no mampitarazoka izao tetezana mita izao. Raha nanao fianianana teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny filoha Andry Rajoelina ny 21 janoary 2009, dia nanambara ny HCC tamin’izany, fa 15 volana no faharetan’ity tetezamita ity........

Nihevitra ny maro, fa maro ny fifidianana ho vita ao anatin’izay fotoana izay. Eo ny fifidianana izay ho filoham-pirenena sy ny andrim-panjakana samihafa. Izay nokinasa tsy vita, ary ny fahoriam-bahoaka mitombo andro aman’alina. Tsy nisy olona iray nihevitra fa hipaka hatrany amin’ny roa taona mahery izao fitondrana izao. Ny fankatoavana iraisam-pirenena tsy azo, ny savorovoro politika tsy mety tapitra. Fanirian’ny olona ao anaty fitondrana kosa, ny hitaran’ity tetezamitatra ity, mba ahafahana mitazona seza ela. Aiza intsony no hahazo fahefana toy izao ? hoy ny mpanao politika hafa, ka halavalavao hanjakana e. Efa ho lany ihany tokoa ny paiso an-kady e ? Pilo kely

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra