mar.
11
janv.
2011
“ Ts y f ant a t r ay tompon’andraikitra mihitsy iny horonantsary iny raha tsy efa nivoaka nanala baraka ny fiangonana manontolo toy iny.” Namory mpanao gazety ny fiangonana FPVM omaly, notarihan’ny mpitandrina Andrianatoandro. “Misy ny atidoha nikotrika iny raharaha iny. Araka ny fahitanay azy, dia efa niomanana mihitsy. Mazava be fa teto Antaninanandrano no nandraisana ny sary.”
Rija demoniaka
Hatramin’izoa aloha, dia olon aefatra no notanana any am-ponja, pasitera iray, mpiandry iray ary mpivavaka tsotra roa. “Mahagaga fotsiny ny nahitana an’I Rija tao anatin’ilay horonan- tsary indray. Mpivavaka eto Antaninanandrano ary tena demoniaka I Rija. Efa nositranin’ny mpitandrina Andrianantoandro izy. Tena marary tokoa I Rija, efa ho roa volana izao.” Asa raha izay no noararaotin’ireto mpamosavy nisangy azy na zavatra hafa mihitsy no niseho ka nanjary horonan-tsary ho azy, naparitaka na dia mamohehatra aza......
Tsy vao izao
Efa hatramin’izay no misy ny famoahana demonia ao Antaninanandrano. Maro ny olon-tsotra na mpivavaka ao an-toerana no mangataka ny hametrahan-tanana. “Mangataka kosa izahay tompon’andraikitra ato amin’ny FPMV ny hisamborana ny atidoha nikotrika sy nanatanteraka iny filma iny. Toe-javatra natao fanahy iniana ka tsy ekenay satria manimba ny fiangonana.” Ny fiangonana rahateo manana lalàna efa mipetraka ary nohajaina hatramin’izay: mikatona ny trano manomboka amin’ny valo ora alina.
Ho raharahan-tany va re?
Anaty raharaham-pitsarana ankehitriny ny tany ao Antaninanandrano. Sehatra roa no miady ny tany, samy te ho tompony. “Fantatray ny olona mitazona ny taratasy lazainy fa titre manamarina ny maha tompony azy. Any amin’ny 8 mey vao mivoaka ny didim-pitsarana momba azy ity.” Asa koa, raha mbola mikasika izay ihany koa no nahatonga ilay horonan-tsary. Na izany aza, mandeha be ny resaka fa misy faharoa hono miala any. F a a n k o a t r a i z a y , ni l a z a ny mpi t andr ina Andrianantoandro fa efa mahazatra azy ny filazana fa manao fanafody izy, noho ny fananany hery manasitrana. “Efa tany amin’ny 1982 ny FJKM no nanenjika ahy momba izay. Tsy maninona fa andrasanay ny hidobohan’ilay horonan-tsary faharoa. Na izany aza, mbola mamerina ny fangatahanay ny hisamborana ilay na ireo nikotrika azy izahay. Raha izay no tontosa, hilamina ny fiangonana FPVM.” Hery A.