mer.
12
janv.
2011
Betsaka ny oham-pitenenana teo amintsika Gasy raha mahakasika sy resaka adala (resak’adala) no atao. Izany no porofo fa ny tany dia tsy nilaozan’adala, kanefa tsapa koa fa tsy azo nahilika sy navela tamin’izao ireny adala ireny fa notafian-damba, narahina am-bokony amin’ny sitra-pony na dia zary ho enta-mavesatry ny fiaraha-monina aza izany. Mitafy henatra ireo manana havana adala, ary tsy mety ho kivy amin’ny fitadiavana izay hevitra rehetra mba hitsaboana ny havany. Mitotototo etsy sy eroa, harahina daholo izay toro-hevitra rehetra mivoaka ny vavan’ny mpiray monina. Raha sendra izay adala matanjaka moa dia mihafy amin’ny daroka ataony, ny doro-trano sy ny fanimban-javatra mahazatra azy, ny teny ratsy sy ompa mivoaka ny vavany. Dia hiafiana satria adala! Ka hovonoina kosa àry ve? ..........
Tsy maintsy hanananan-tsiny amin’Andriamanitra Andriananahary raha miadaladala hanao an’izany. Fa ianao ve efa nanana, na manana havana adala sy ondrakondrafana? Noeson’ny mpiara-belona ve ianao? Mahatsiaro menatra? Dia inona no vaha-olana mba nataonao?
Raha mbola tsy nivoaka kely tany am-pitandranomasina tany ianao, dia mba manandrama ihany mifanerasera amin’ireny tera-tany vahiny mpiara-monina amintsika ireny. Tsy maintsy hisy eson-teny isan-karazany mivoaka ny vavan’ireny olona hafa fihaviana amintsika ireny raha vao mitodika amin’ny resaka politika eto ny resaka. Na inona koa tetika hanamboaranao ny herintsaina ao anatinao ao dia tsy maintsy hanongo tena avy hatrany ianao rehefa mifanerasera amin’ireo mpiray vodi-rindrina amintsika ireo. Tsy maintsy efa henonao ny hoe: Nahoana r’ingahiroa no fomba iainanareo izao zava-doza iainananareo izao a? Maninona ny firenenareo no avela ho ravarava amin’ny fomba tsy voahevitra toy izao? Maninona ianareo no mifanaritaka toa io, kanefa mba malaza amin’ny fihavanana ihany? Fa ny tena tsy laitra indrindra dia ilay resaka hoe: vendrana sy adala daholo ianareo Gasy manaiky hiaina ny toe-javatra toa io iainanreo io. Tsy maintsy ho menatra ianao, ary hanontany tena hoe: adala tokoa ve ny tena ka tsy hananan’ny olona fitserana intsony rehefa mba miresaka aminy? Tsia ! tsy adala ianao fa manan-kavana adala, adala matanjaka, tsy hita izay hatao azy fa jerena fotsiny sy tambatambazana aza: Indraindray io havanao io dia miverina milalao toy ny zazakely, ka na zavatra nolazainy fa ho tanterahiny aza dia tsy ataony indray tampotampoka eo. Misy havanao sasantsasany giazany sy fatorany tady mahazaka any Ananonanona any. Ireny ilay niseho ho nananatranatra azy tamin’ny fihetsiny tamin’ny tao-dasa. Ny tena mahagaga tato ho ato dia nivorivory indray isika mianakavy, -satria saika mpihavana daholo isika rehetra-, dia tsy misy sahy manolotra hevitra ny hifehy ny fihetsik’ireto havantsika ireto isika mianakavy fa mbola mihevitra fa avelao aloha izy ireo hanohy hatrany io ataony izao sao mandrongatra eo indray. Tsy lehibe tsy kely fa manaiky izay sitra-pony sy tondroin’ny tanany. Dia tsy mahagaga mihitsy raha hihomehezan’ny mpiray vodi-rindrina isika rehetra. Tsy mitsabo ireo havantsika “adala matanjaka” isika mianakavy, fa manaraka ny hadalàny no maha-diavolana antsika. Iza marina no manao ny toetran’ny adala matanjaka eto amintsika eto? Tsy maintsy ho ekena sy arahina ny sitra-pony? Tsy maintsy mifori-drambo manoloana ny tanjany ve izay rehetra havany? Tia sy manaja fihavanana kosa isika Gasy raha izany! Ho ariana amin’iza tokoa moa ny havana? Inona no tsy efa niseho sy niainana teto nandritra izay roa taona nananantsika ny “adala matanjaka”izay? Sady tsy mety ho tafian-damba no mirifatra mamono tena eran’ny tanàna. Manimba ny fiainan’ireo havany rehetra, midaroka sy mamono, manompa sy miteny ratsy, ary manao teny maharary sy tsy voahevitra. Ferany hatramin’ny sakafo hampidirina ao am-bavanao. Feheziny sy tsy avelany hihary harena na hikaroka ny tombony ho anao ianao fa ny azy ireo ihany no mahalala ny fetra tokony hataonao. Malahelo ny havantsika ianao saingy tsy afa-manoatra intsony, nihevitra fa lalin-tsaina tokoa izy ireo tamin’ireny fotoana nanombohan’ny fihetsehan’ny “hadalany” tamin’ny taona roa lasa ireny. Izao vao tsapanao fa manana ny adala ianao, ka ifanondron’ny olona manodidina molotra fotsiny. Tsy mety hisy hanampy anao sy ny fianakavianao intsony ny olona. Hiara-hiasa amin’ny “fianakaviana adala” kosa ve ry zareo e?