lun.

10

janv.

2011

Fandaminana ny tanànan’Antananarivo: Politikam-pitantanana fa tsy angovo

Afaka hitondra sy hitantana tanàna ve raha tsy mpanao politika? Mpanao politika àry ve no mitondra ny tanànan’Antananarivo? Sy ny tanàna rehetra eto Madagasikara? Moa tsy misy ireny vola antsoina hoe: FDL ireny, izay ilàna fahaizana sy politika matanjaka ny fitantanana azy? Nisy tamin’ny kaominina sy tanàna eto amintsika no tratran’ny henjika ara-politika fa “tsy mahay raha”. Voatorotoroka teny amin’ny BIANCO. Fa ny eto Antananarivo renivohitra no mahalasa ny saina tato ho ato. Delegasiona manokana no mpitantana eto ary tarihin’ny filohany. Olona mahay mitantana ireny saingy tsy voafidim-bahoaka. Ny 63% n’ny mponin’ity renivohitra ity dia nifidy olona natokisany hitantana azy, saingy zavatra hafa moa izao no nataony, ary lasa any ambony be any. Ka dia izao iaraha-mahita izao ny fivadibadiky ny tantara...........

Mifangaro ny angovo sy ny fampiharana ny lalàna

Nipoaka hat ramin’ny basy mihitsy ho fanaparitahana ny mpivarotra amorondalana tsy mpanara-dalàna tao ampovoan-tanàna tao. Taim-baombina dahol o ny rehetra, na mpiantsena tsotra, na mpanao fitaterana, na mpandalo. Fa misy inona? Fampiharana ny lalàna velona no atao, hoy ny tompon’andraikitra, ary dia fantatsika mianakavy fa tsy azo atao ny fivarotana eny amorondalana sy ao anaty arabe. Marina tsy misy azo hanakianana azy izany lalàna izany, ary inoana fa efa fantatry ny mpitantana ny tanàna fa tsy foto-drafitr’asa toy ny lalana sy ny trano goavana fotsiny no tantaniny eto, fa ao dia ao koa ny olombelona, ny fiaraha-monina. Io ilay ilàna mpanao politika. Ny mahaolombelona sy ny fiahiana ara-tsosialy ho amin’izay fihariana ataony no ilàna izay politika izay. Koa aza gaga raha mitraotra ny andian’olona naneho ny heviny amin’izay tsy fankasitrahany io politika hitantanana ny fiainany sy ny fihariany io. Tsy ny lapan’ny tanàna goavana sy tsara endrika, na ny arabe migodana, na koa ny fiara raitra dia raitra mifamezivezy no mametraka ny mpitondra azy, fa OLOMBELONA, ary olom-pirenena mahatsapa ny adidiny sy ny andraikiny. Tsy ilàna angovo ny fanantanterahana izany fiarovana ny olompirenena te-hisitraka amin’ny andavan’andrompiainany izany. Moa tsy tokony haverina ny resaka sy ny tambitamby politika nataon’Ingahy PDS fony izy vao hitantana ny tanàna? Tsy tsaroantsika ny nidinany teny an-Jomà, ka nanaovany antso fa tsy hisy intsony ny fanenjehana sy fandraofana ny entan’ny mpivarotra? Nambarany koa fa mpinamana sy mpihavana aminy ny Gasy rehetra eto, indrindra ireo mpivarotra ireo? Dia maina ve ny ravina nihinanana?

Ny olona no manao ny lalàna

Ny politikan’ny Gasy hatrizay, rehefa te-hanampatra fahefana, dia mandrangaranga hatrany ny didy aman-dalàna. Tsy nitsotsorika avy any an-danitra toy ilay noraisin’i Mosesy (na Moizy) akory io lalàna io fa ny fiaraha-monina no mamolavola azy. Mampihatra azy, ary manafay ireo mpitrifana sy tsy tan-dalàna. Mafy ny lalàna, kanefa tsy maintsy ampiharina. Tsy ara-dalàna ny fanaovana angovo amin’ny entan’olona izay nisasarany nandritra ny taona maro. Tsy ara-dalàna ihany koa ny fanararaotana sy fanaovana tsinontsinona ny mpitantana ny tanàna ka manao z’inona izay efa nifampitenenana hatry ny ela. Hoy ny kabarin’ny Ombalahibemaso raha nanangana ny tsena izy: “ Koa raha velona ny tsena dia mahafinaritra ahy, sy mahafinaritra anareo, fa mifanohana ny manana sy ny tsy manana. Ka izany no hifamelomana ka mahatsara ny tsena ho velomina. Raha misy olona tsy mandeha mamelona ny tsena, na kely na lehibe: dia ataoko kabary, mahadiso sy mahameloka, fa ny tsena no fivelomana ry Ambanilanitra”. Andrianampoinimerina izay “Kapitalista” tamin’ny fotoana ela be no niteny izany. Fa isika ve nihemotra sa nandroso ka tsy hanana politika toy ny nampihariny? Eritrereto e!

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra