sam.
08
janv.
2011
Tsy mampino, nefa tanteraka. Ireo endrika faminaniana ambaran’ny mpahita gasy no tiana ambara eto. Milaza alohan’ny fotoana izay tranga mety hiseho izy ireny, ary ny mpanakiana no betsaka, saingy rehefa miseho izay voalaza vao samy gaga ny rehetra. Ny Pasitera Mailhol sy Saberah, ary Aina eny Itaosy no tena manambara zavatra betsaka. Eo ihany koa ingahy Kohen Rivo Lala, ary tsy dia mifanohitra ny hevi-baventy ambaran’izy ireo, fa misy hitovizany avokoa. Raha ny Pasitera Mailhol, dia sady manala devoly no manasitrana amin’ny alalan’ny vavaka. Efa manana ny mpino mpanara-dia azy efa hatramin’ny taona ela. Ny faminaniana ara-politika no maro ambarany, ary betsaka no manambara fa fanadihadiana ara-politika no ataony, fa tsy faminaniana. Ny an-dRamatoa Saberah ihany koa dia manao izay fanambarana ny ho avy izay, ary mitsabo ihany koa..........
Ny an’i Aina kosa, dia voalaza fa ny hery azony avy amin’ny kalanoro ompiany no manome famantarana azy ny tranga ho avy. Mitsabo olona amin’ny alalan’ny fahaizany izy, ary maro no efa sitrany, indrindra y resaka mosavy sy ny halatra ataon’olona. Efa nahavita boky mirakitra ny tranga hiseho 2010, ary saika niseho avokoa izay voalaza tamin’izany, ary mbola namoaka ny tranga 2011 indray izay efa lany io boky io, ka efa manonta fanindroany indray. Miampy vavaka io, araka ny heno. Ny Kohen Rivo Lala dia ny fahitana amin’ny heriny sy ny vavaka ihany koa no ataony, ary ireo olona trapahavoazana tamin’ny fiainany no omeny fitsaboana. Be ireo milaza ho mpaminany, saingy herin’ny maizina no ao amin’izy ireny sa herin’ny mazava ? Ny tsy azo lavina, dia saika amin’ny alalan’ny fivavahana amin’ilay mpahary avokoa no entina hitsaboan’izy ireo, ary saika kristiana avokoa ireto mpaminany gasy ireto. Be amin’izy ireo no manala devoly, ary mahita fahombiazana amin’izay ataony izy ireo. Iza indray re ny olona hafa mety mahafantatra ny ho avy hiseho eto e ? raha liana amin’ny voalazan’ireo olona ireo ianao, dia afaka mangataka ny laharan’ny findainy aty aminay. Raleva zokiny
Misaotra anao tsy nihafahafa fa tsy misy ilàna ny laharan'ny findainy fa omeo ny mpanao politika Gasy hizorany araka ny marina voalazan'Andriamanitra izany.
C'est de la merde ton article, tu ne fais que berner le peuple!
