sam.
08
janv.
2011
Tsy ela, dia ho tonga eto indray ny SADC ! Ny herinandro ho avy io no mety hahatongavany eto, ary hiroso amin’ny fanohizana fikatsaham- baha-olana ho an’ny malagasy. Tao ho ao anefa, dia toa miantso vonjy any amin’ny ONU indray ny FAT, satria angaha tsy mahatoky ny SADC izy ireo ? Raha it y fiandrandràna ny firenena mikambana ity, dia tsapa, fa mila ny sehatra iraisampirenena ireto mpitondra ireto, saingy ny haneken’ireo mivantana ho ENY no tsy misy. Ny mampieritreritra ny rehetra, dia ny vava tsy ambina ataontsika amin’ny sehatra iraisam-pirenena, saingy hay mandohalika mila ny fanampiany sy ny fitserany ihany izao fitondrana izao. Mora ny miverina amin’ny ara-dalàna, nefa sarotra ny hiala amin’ny fomba mahazatra, dia ireo fihetsika mifono avona ataon’ny sasany amin’izao fitondrana izao. Raha nanaiky ny fifanarahana hatramin’izay, moa tojo izao fitangiriana amin’ny vahiny izao ve ity FAT ity ? Imasomahita
Mamy ny seza sy ny fihinana dia mbola te hanohy fitondrana ny FAT fa tsy ho tombotsoan'ny vahoaka mihintsy no manosika azy ireo hifikitra fitondrana eo...hahaha...miladilady any amin'ny iraisam-pirenena fa tsy ampy azy ireo ny vola azo tamin'ny bois de rose e...fetsy anie ireo ary mpijery tombotsoa manokana gaigilahy daholo fa isika vahoaka no domelina sy dondrona mametraka sy manaiky an'ireo hitondra eo e!
