sam.
08
janv.
2011
Tsy mitovy amin’ny fiainana maha-mpitovo intsony ny fiainan-tokantrano. Mila fitandremana noho izany ny fifandraisana eo amin’ny mpivady satria na eo aza ny fifampatokisana misy eo aminareo roa dia ao koa ireo mpandrav laka. Ireo misy lisitry ny karazam- behivavy tsy azo ampanaikaikezina ny vadinareo raha tsy hoe angaha vonona nizaka izay vokany ianareo. « Flatteuse » : Ilay handoka ny vadinao hoe mitovy amin’ny mpilalao sarimihetsika toa an-dry « Georges Clooney », kanefa vao omaly ianareo mivady no nifampiresaka fa mila mihena izy........
« Intello » : Ilay miseho ho mahay mitsikera momba ny boky iray ka hirara-kivy ny vadinao mihaino azy kanefa ny hany boky vinakinao dia ny tonon’andro milaza izay entana mora amin’ity taona ity.
« Trop gentille » : ilay mihaino ny vadinao anya m-piasana. Izy ilay manome torohevitra samihafa ar y manasa ny vadinao hiarahisakafo aminy ny ampitso kanefa ianao tsy ho voasa hantiraka izany.
« Allumeuse » : Mahay manintona ny vadinao io. Mody alatsany ny peniny ka tsy maintsy handray izay ny vadinao dia hahita ny silipony T. 36 sy ny tratrany mirefy 95 sentimetatra izay mety tsy anananao.
“Copine d’enfance » : Mety handrombaka ny fiainanao amin’ny fanehoana ireo sary taloha nahabe mony anao ka sahy haneso anao eo imason’ny vadinao.
« Fille trop bien dans ses baskets » : Ilay afaka hanaitaitra ny vadinao noho ny hatsaram- bika sy tarehy ananany.
« Fraichement Divorcée » : Ahiana mety hanadala ny vadinao rehefa hifanena ianareo. Ny fahitany ny vadinao dia hahatonga azy ho taitaitra indray.
« Collègue de bureau jalouse » : Be resaka ka ahiana hitantara amin’ny vadinao fa bedin’ny lehibe ianao anikeho maraina, na mandany andro amin’ny Facebook ianao, na koa resaka hafa tsy mila fantatry ny vadinao akory.
« Passionnée de foot » : Tia miresaka baolina kitra amin’ny vadinao : teknika, tombatombana ka toy ireny ankizy ireny ry zareo, kanefa ianao dia mila ho vaky fo raha vao mijery lalao ny vadinao.
« Social addict » : Mpiteny ny fandaharam-potoany marobe kanefa ny anao dia ny hamangy an’i Nenitoa no masaka ao an-tsainao. Mety ho tian’ny vadinao izay planina izay noho ianao tsy mankafy mivoaka.
« Ménagère parfaite » : Mahavita nahandro tsara io kanefa ianao mety mbola handeha hiantsena zava efa vita amin’ny andro hariva eny amin’ny mpivarotra. « Baroudeuse » : Vitany ny hitondra ny vadinao hitsangatsana satria ny anao mety ny ambanivohitra niavianao ihany no niarahanareo nivady nitsidika hatrizay.