ven.
07
janv.
2011
Mety ho voatondro molotra ianao manambady lehilahy lehibe zokinao 20 taona. Tsy mora ny mitondra izany tokantrano izany ary mila fitaizana manokana. Fotsy ny volony, feno kentrona ny tarehiny, mibontsina ny kibony, mety tsy hitovy amin’ireo tovolahy tsara tarehy amin’ny boky sy fahitalavitra ny ramosenao. Nilaozan’ny taona efa ela tokoa ve ? Tsy maninona izany fa matoa nivady ianareo dia tao ny fitiavana. Fanolokoloana izay fitiavana izay no mila ananao vadiny mba hampateza ny fiarahanareo fa tsy hoe izy zokiolona ka be ny tanora dia hanenina. Tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka. Lahiantitra sy bodokely hoy ny fiarahamoninan “tsy mitovy taona amin’ny rainy ve iny”, “marina ianareo raha mba hanan-taranaka”, vava mipoaka izany. Raha tena fitiavana tsy olana izany, fa raha noho ny tombon- tsoa, mihevera tena. Mety handratra anao ny mason’ny manodidina sy ny mpandalo, hodio fanina izany. Aza mihevitra hoe heloka bevava ny fitiavanao azy. Ny fahasambaranareo miaraka no zavadehibe. Tsy voatery haharitra koa anie ny fiarahana amin’ny lehilahy tanora e !........
Henoy ary itokiso
Rehefa eo anefa izy dia mahatoky tena ianao. Eo tokoa izy ho anao. Manolotsaina anao izy amin’ny fotoana mahamety ka henoy. Ny fahamatorany dia tombon- tsoa ho anao satria ny ela nihetezana no lava volo. Modely tsara izy ka itoskiso ihany koa.
Ary any am-pandriana ?
Mety tsy manao firaisana ara-nofo maharitra sy maro mifanesy ianareo fa mety manome tsirony anao izy mandritra ny fotoana iarahanareo. Tadidio fa mandefitra izy ka manome fahafinaretana anao noho ny hoe manao izay mahafa-po ny tenany. Tsy toy ny tanora misaina be fahatany ny resa-pananahana ny lehilahy lehibe ka tsy mihevitra hoe hanao fihetsika miverimberina sy mankaleo. Ho azy ireo dia ny “firaisampitiavana” no tena ataony ka satrinao hiaina izany foana miaraka aminy.
Ny mety tsy hampitody hevitra anareo
Amin’ny mahatanora anao dia mahatsiaro ireo namanao fahiny ianao. Misy amin’izy ireo ny miantso anao hivoaka alina. Inoana fa handa ny vadinao satria efa tsy amin’ny taonany intsony izany. Azo hifanakalozan-kevitra anefa ny tranga toy io satria efa nandalo ny fahatanorana ny tenany taloha. Mety hatahotra ireo tovolahy sahy hisary zoro aminao izy, kanefa omeo toky izy fa tsy misy hatahorany izany. Matoa izy manahy mafy dia matahotra ny ho very anao. Anjaranao kosa ny tsy mibolila an !