sam.
08
janv.
2011
Nampiantso mpampahalala vaovao teny amin'ny trano fonenany, Ramatoa Lalatiana Ravololomanana ary nanambara fa tafajoro ny Komitin'ny Firaisankina hoan'Atoa Fetison sy ireo gadra politika rehetra.(Comité de Solidarité à Fetison Rakoto Andrianirina et les victimes de non droit) "Mangataka ny famoahana tsy misy fepetra an'i Fetison, Zafilahy, Pasitera Edouard" izy ireo.Amin'izao fikatsaham-bahaolana ny krizy izao dia hitondra ny anjara borikiny izy ireo amin'ny maha tompon'andraikitra politika azy ireo "tsy tokony any Ambatolampy no toerana misy azy ireo fa tokony ambony latabatra boriry" hoy hatrany izy.
Nanamafy ihany koa izy fa tsy tokony hatao fitaovana politika ny Fitsarana.
Tamin'izany valandresaka izany koa no nanamafisan'i Lalatiana Ravololomanana fa fitonjana jadona tanteraka no misy eto ka izay tsy mitovy firehana amin'ny mpitondra dia gadraina.Tsy misy afa-tsy ny fampihavanam-pirenena ihany no vahaolana hoy hatrany izy.
Naseho ampahibemaso teto ihany koa ny fijoroan'ny tambanjotram-pifandraisana momba izany.