mer.
05
janv.
2011
Mafy dia mafy ny fidobodoboky ny resaka etsy sy eroa. Samy mihevitra ny mpitazana fa tena miroso amin’ny resaka matotra kokoa ny mpanao politika. Mahakivy ihany anefa rehefa tomorina tsara ny fototry ny fivoriana mateti-pihavy tato ho ato. Efa misy “vakiraoka” miampitampita any ho any fa tsy misy mametraka olana amin’ny fihazonana ny filohan’ny mpitondra avo hijanona eo amin’ny fitantanana ny tetezamita ny mpidinika. Efa voavinavina koa fa hisy lefitra telo ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, izay efa voatonona ihany koa fa hateraky ny marimaritra iraisana. Hisy fanitsiana sy fiovana ny vaomiera mpikarakara ny fifidianana, hitarina ny vondron’olona mpanao lalàna. Ary hajoro ihany koa ambonin’ireo ilay komity hisahana ny fampihavanam-pirenena. Dia mihaotraotra loha fotsiny ny Gasy eo anoloan’izany, inona tokoa moa izao no maha-samihafa (samy hafa) izany sy ilay dina nifanaovana tany Maputo? Sy ny teny Ivato? Ary ivereno tokoa hoe: inona no nahatonga ny tsena ho rava teny Vontovorona?.......
Aza aseho masoandro akory ny voarakitr’ity “vakiraoka” tsy misy mampiavaka azy ity fa miharihary loatra ny fikarohana seza (fa tsy andraikitra) mba hitavanana sy hampitombo fahoriana indray. Tsy mety ve raha ny andraikitra tokony hataon’ny mpanao politika hivahan’ny kizo aloha no dinihina? Ramose ve no mampikatso? Asaivo miova hevitra izy. Hanaovy adimborontsiloza ny fitakiana ny hiverenany eto, dia eto izy resahana sy resena lahatra amin’ny ady hevitra. I Zandrikely ve no misakana ny tsy ahitam-bahaolana? Aza tambazana io toeran’ny filohan’ny fitondrana tetezamita io akory izy fa tereo hanaraka izay nampanantenainy. Anaovy angaredona ny filazàna aminy fa tsy misy firenena afaka hanao fampandrosoana sy tetik’asa mahomby raha tsy milamina sy ifanekena ny tontolo politika. Ireo nanao heloka politika marobe ve no manelingelina ny fizorana amin’ny fitoniana? Ry profesora mpitandro fihavanana ve no miavo-tsy feno sy mpitsivalam-pandry? Ampahafantaro azy ny tena dikan’ny fahafahana sy ny demokrasia handrandrain’ny Gasy hatrizay. Sa ry Deba no manao angovo? Teneno ampitoniana izy ireo fa tsy mitovy ny rano nandroana sy ny tontolo mibaiko ny politika Gasy ankehitriny. Ambarao azy rehetra ireo fa tsy natao ho fieren-jiolahy tsy akory ny fanaovana politika eto amintsika, tereo ry zareo ireo hihaiky heloka (raha nisy tokoa izany), fa tsy ny tsikombakomba velively no nitoloman’ny Gasy nanomboka tany amin’ny Menalamba1897 sy ny VVS 1919, ny MDRM 1946, ny mpianatra tamin’ny 1972, ny hetsika ho fampiakarana miakatra ny firenena tamin’ny 1991, ny fiarovana ny safidim-bahoaka tamin’ny 2002, ary indrindra ny fitakiana fanovàna tamin’ny 2009. Aiza ho aiza amin’ireo tolona ireo no nanome vahana ny fanaovana politika “mifanafin-dravina”? Aza miresaka fifidianana, aza miresaka fiaraha-mitantana, aza maika amin’ny fifamelan-keloka, aza dodona amin’ny fizaran-tseza, ary aza maika tsy faingana amin’ny famerenana ny ota be tsy hay tononina efa vita teo aloha. Jero ny singam-bolo nandavo ny vositra. Jereo izay lo tsinay manamaimbo ny atiny. Fa raha tsy izany no hatao sy ho tanterahina dia ho sasa-poana ny mpihazakazaka fa mbola ho tratran’ny miadana ihany. Hain’ny mpanao politika Gasy ny milanja kibay an-tanana rehefa te-hahomby amin’ny fandravana efa nomaniny izy. Hainy ny manoso-potaka izay manelingelina azy, hainy ny manasohaso izay miaro ny tombotsoany ? Ony RAMBELO