mer.
05
janv.
2011
Maro ireo olona manofy t sy faneho masoandro. Mahatsiaro tena ho safononoka tokoa na lahy na vavy eo am-panofisana kanefa rehefa tonga ny maraina dia maro ireo fanontaniana mipetraka satria mahatsiaro tena ho meloka na ho nahavanondoza ilay mpanonofy. Inona tokoa no tsy mety ? Mety ho tena namaivay ilay nofy fa izany tsy midika hoe mpankafy na tena tsy ampy fahafaham-po amin’ny resaka fananahana ny vehivavy na lehilahy iray. Mila mahay mampisaraka ny nofy amin’ny zava-misy anefa ny tsirairay. Manambara fahasalamana ara-tsaina tomombana ny fisian’ireny karazana nofy “X” ireny satria manampy ny olona hanala ny rarin-tsainy ary hiatrika ny tahotra sy izay rehetra mety ho fihibohana. Araka ny voalazan’ny manam-pahaizana dia tsy kisendrasendra ny fisian’io nofy io fa vokatry ny ny filàna izay diavina mandritra ny andro. Mety hiverina izany ireo fihetseham-po samihafa rehefa tonga ny alina ka manome fahafinaretana................
Mateti-pitranga amin’ny adolantsento miroboka voalohany amin’ny fitiavana izany nofy izany. Misy fotoana koa anefa, manampy ny olona iray handresy ny henatra, ny tahotra, ny teritery ny nofimpahafinaretana satria io fotoana io no hahazoany manao ny rehetra tiany atao ary tsy misy fetra. Veloma hatreo aloha izany ny fadifady rehetra satria ireo hadalana sy ny kisendrasendra rehetra no toa mahazo aina toy ny hoe miaraka amin’ny olona maro, amin’ny olona tsy lahy na tsy vavy mitovy amin’ny tena… Raha toa ka tena nisy ny firaisana ara-nofo dia ahoana ? Mety mitady izay mihitsy ny olona iray amin’io fotoana io. Raha tavela eo amin’ny resaka safosafo, orokoroka na fifampikasohana fotsiny indray dia tena salama tsara ny vatana sy ny fanahy iray manontolo. Tandremo anefa. Tsy azo tanterahina amin’ny fiainana andavan’andro ny natao tanaty nofy tao satria izay nofy mamy natao mety hivadika ho nofy ratsy ary ao ireo nofy izay tsy natao ho tanterahina mihitsy. Mety hisy ny fotoana hoe sahirana ny olona iray amin’izay mety ho dikan’ny nofiny satria tena nanohina na nandiso fanantenana na koa tena nampitahotra ilay izy. Aleo manantona manampahaizana manokana raha toa ka liana amin’ny valiny satria amin’ny alalan’ny fifanakalozana no hahafahana miverina amin’ny fitoniana. Mety halaim-panahy ianao hitantara ny karazana nofy toy izany amin’ny vadinao ary mieritreritra ny hizaka ny vokany. Mety tsy ho tantiny ny hihaino azy ka hahatonga azy hisalasala ny fahatokisana anao. Tsaratsara kokoa tsy miteny ny ambangovangony satria “nofy ihany” iny.