mer.

12

janv.

2011

Fanjakana tan-dalàna : Sao mba ao Ambohidahy no vaha-olana ?

Azo hamaritana ny loko mainty ho lasa fotsy ve ny lalàna velona eto amintsika eto? Aleo kosa mba hifanarahana fa ny fotsy dia fotsy, ary eo ambonin’izay fahafotsiana izay no hanoratana amin’ny ranomainty mazava tsara izay lalàna tokony harahina sy hampanjakaina. Tompon’antoka amin’ny fiarovana ny lalàna fototra mampijoro ny fitondrana eto amintsika eto, ny etsy Ambohidahy etsy. Koa rehefa ireo no mangina dia “marina” izany ny fihetsiky ny mpitondra. Izany tokoa ve? Tamin’ny taona 2002, rehefa nifanadala tamin’ny fanampahana lalana isan-karazany teto isika, dia nisy ny mpahay lalàna nitory ny tsy fihetezan-javatra, nateraky ny fifidianana, tao amin’ny fitsarana ny ady hifanaovana amin’ny fanjakana. Dia niharihary teo fa tsy maintsy horavàna ilay “fitsarana avo” nanofàna trano tany Mantasoa. Dia nambaran’ny fitsarana avo vaovao hafa, fa vita tamin’ny dingana voalohany ny fifidianana filohan’ny Repoblika ary hatao ny fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fotoana. Dia haintsika ny tohiny avy eo. ........

Taratasy tsotra

Fa ny nahatonga ny olana teto ka mbola tsy voavaha hatramin’izao dia noho ilay “taratasy tsotra” nataon’ny tao Ambohidahy ny maraim-ben’ny 18 martsa 2009. Io ilay taratasy lah 079-HCC/G manoritsoritra fa manomboka io vaninandro io , ary maharitra 24 volana ny fitondrana avon’ny tetezamita, tarihin-dRAJOELINA Andry sy ny Praiminisitra MONJA Roindefo. Ka mbola manankery ve io taratasy io amin’izao fotoana izao? Raha mbola misy lanjany io dia hifarana ny 18 martsa ho avy izao izany io fitondrana tetezamitan-dRajoelina Andry io. Fa ny 08 Aogositra 2009 dia nosoniavin-dRajoelina Andry sy ny filoha telo hafa teo alohany, tany an-drenivohitr’i Mozambika, ny dina fototra vaovao hitondrana ny tany sy ny fanjakana. Ary dia nambaran’ny tao Ambohidahy fa manankery mandritra ny 18 volana indray io dina io nanomboka teo. Iny moa toa maty an-karanany, sy tsy misy mpiresaka intsony. Fa tamin’ny 12 desambra 2009 dia nanangana Fitondrana tetezamita hafa indray ny HCC sy ny mpitondra avo ka fitondrana tetezamita hiampitàna any amin’ny Répoblika faha-efatra no anarany. Tsy fantatra koa io na maty na velona fa mbola eo daholo aloha izao na ny filohany RAJOELINA Andry, na ny praiminisiny VITAL Albert Camille, ary efa nampiana andrim-pitondrana roa hafa. Fa mbola ny HCC ihany no nilaza ampahibemaso , ary tamin’ny fomba manetriketrika fa lany sy hampiharina eto amintsika nanomboka tamin’iny 11 desambra tamin’ny taon-dasa iny ny lalampanorenenana vaovao nateraky ny fitsapan-kevibahoaka ny 17 Nvambra 2010. Dia ilay andininy faha 166 ao amin’io lalampanorenana io izany sisa no mitondra izao tetezamita avo ankehitriny izao, izay milaza fa RAJOELINA Andry (voasoratra tao fa nofafana tamin’ny ora farany) no filohan’ny tetezamita mandra-pijoron’ny andri-panjakan’ny Repoblika faha-efatra.

Manaova taratasy vaovao hafa

Na inona na inona ho lazain’ny HCC dia noho ny antony politika hatrany no handraisany ny fanampahan-kevitra rehetra ataony. Raha hitany fa mety izao zava-tsarotra diavin’ny firenena izao dia aoka ho raisiny ho adidy ny mampahafantatra amin’ny vahoaka rehetra sy ny mpifanandrina politika ny fetra farany tsy maintsy hifaranan’ny tetezamita sy ny fahefana eo an-tanan-dRAJOELINA Andry. Moa tsy tokony ho vitany amin’ny alalan’ny taratasy tsotra ihany koa izany? Hazavainy amin’izany ny tena fototr’ilay andininy faha166 ao amin’ny lalampanorenana vaovao, ary raha hita fototra fa tsy azo hampiharina akory io andininy io, noho ny maha-tsy voasoritra ao ny faharetan’ny fotoana tetezamita dia aoka hanam-pahasahiana ny HCC handrava ilay lalampanorenana , na koa ireo mpikambana rehetra ao anatin’ity andrim-panjakana ity mihitsy no miaraka mametra-pilàna satria tsy misy lalampanorenana hampiharina eto amin’ny tanin’ny Repoblika faha-efatr’i Madagasikara. Raha tsapan-dry zareo ao Ambohidahy kosa fa mihitsoka ny firenena, dia ivereno hampiharina ny didy hitsivolana 2009-01 namindra ny fahefana tany amin’ny fitantana ara-miaramila, satria nandritra ilay 24 volana nomena ny mpandray ny fahefana dia hita fa nihodina ampitoerana fotsiny isika ary tsy voavaha ny olana ara-politika. Mety ho sarotra tanterahina izany rehetra izany kanefa rehefa ny firenena no handrandraina dia azo havadika ho fotsy hatrany ,ho’aho, ny mainty. Asa anefa! Mora tokoa ny mandrodana raha ampitahana amin’ny manangana fanjakana tan-dalàna e!

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    ratsiferana (mercredi, 05 janvier 2011 13:12)

    Ka mbola vao ny fen'ibotity no tapaka dia mafy aina izy fa atsy ho atsy ny ainy mihintsy no hiala raha izao no mitohy.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra