mer.
05
janv.
2011
Nisantatra fety makotoka ireo mpiasa marobe eo anivon’ny ORTM tamin’izao fihandohan’ny taona 2011 izao. Vory lanona ireo « ngetroka » ato amin’ity orinasa seraseara tantanin’ny fanjakana ity sy ireo “mpiasa tsotra” marobe eo amin’ny fampihodinana ny asa aman-draharaha iandraiketany avy. Dia nipololotra ny firariantsoa marobe sy ny fampanantenana tsy hita ho tanisaina.
Ity radio sy televizionam-pirenena ity dia mahatonga resabe hatrany amin’ny fomba fitantanana sy ny fironan-kevitra voiziny. Tsy maintsy nifanomezan-tsiny hatrany izay rehetra ataony sy hambarany. Tsy nahagaga raha “teny tsy ambina” kely akory dia may sy rotika izay natsangana nandritra ny fotoana maro satria tsy nifanitsy amin’ny fitakiana ataon’ny mpitarika politika ny hevitra mipololotra mivoaka avy ao.
Henjana sy goavana
Marobe no efa nifanolosolo nitantana tao, ary ankehitriny dia ny “henjana” no tonga eo amin’ny tampon’ny fitantanana. Nasongadin-dRAVOAJANAHARY Johary fa homarihina amin’ity taona vao mitsidika ity ny faha-valopolo taonan’ny Radiom-pirenena. Goavana izany fanamarihana izany, ary azo inoana fa hitarika fiovam-penitra eo amin’ny “fomba fanao nahazatra” sy ny fitantanana. Ary ambonin’izany rehetra izany dia azo hinoana ihany koa ny hiparitahan’ny televizionim-pirenena any am-pitandranomasina rehetra any, indrindra fa any amin’ny faritr’i Eraopa izany. Tsy ny kely indrindra amin’izany fiovàna izany koa anefa dia nampanantenaina ihany koa ny hijoroan’ny TVM2. Nimenomenona moa ireto mpiasa marobe nifampirary soa ireto amin’ny fitaovana entina manantanteraka ny asa, ka nisongadina ihany koa ny fampanantenana amin’izay ezaka izay, ary tsy ho ela dia ho tonga ny fiarakodia sy ny fitaovana hafa marobe.
Banjino ny ho avy
Raha izay fotoana marobe efa nijoroan’ny onja-peo izay ihany dia tokony efa hahatsapa ny mahalehibe ity fitaovan-tserasera eo ampelatanany ity ny mpitondra fanjakana mifandimby. Ireo mpitantana sy mpiasa marobe ihany koa dia tokony hahatsapa ny halehiben’ny adidy aman’andraikiny eo ampanatanterahana ny asany, fa tsy sanatria ho variana hanararaotra ny “fitongilanana“ tsy nahitana vokatsoa hatrizay hatrizay. Ireny no nitarika ny fahasimban-javatra tsy amin’ny antony mazava niseho teto hatrizay satria variana amin’ny fanasohasoana ny mpitantana ara-panjakana fotsiny. Tsy tokony hiverina intsony ny hatezeram-bahoaka amin’ny haino aman-jerim-panjakana. Maharary sy mahamenatra ny niaina ny fisian’ny mpiasa voarara tsy nahazo niteny tao amin’ny onja-peo nandritra ny fotoana maro ohatra. Aza miverina intsony ,fa efa lasa tokoa anie ny zavatra sy ny fomba taloha e!
enga anie ka tena vaovao marina no alefany ary enga anie ka hateza hatrany ny radiom pirenena...rah mety d tsar raha atao hoatran ny any Lafrantsa ohatra, asiana radiom pirenen hafa eto fa tao mitongilana loatra @ fitondrana...
