lun.
03
janv.
2011
Mampalahelo mihitsy ny manjo an’ireto Gasy te-hilingitra amin’ny fety kanefa tsy maharaka amin’ny fihetsiketsehana nataon’ny hafa. Izany tokoa no tonga amin’ilay resaka hoe mifikitra te-hitaingina Mercedes kanefa tsy manana afa-tsy kalesy atosi-tanana. Iza moa no tsy nahalala fa narentirenty tokoa ny dokam-barotra isan-karazany fa miala liana amin’ny sakafo daholo izay rehetra tonga amin’ireny lanonana maro samihafa ireny ? Mahazo mihinana izay tiana hanina, mahazo misotro izay tiana ho sotroina.
Fa ianao dia tsy mahatsapa izay hahafaty sy mety hitarika alahelo. Nafangaronao daholo na toaka, na divay, na vary, na menaka mifangaro, na ranom-boankazo, na inona na inona tazan’ny masonao dia narapakao daholo. Fa mihevitra ianao fa manana vavony vў? Sa ianao no tsy mety mihontsona amin’ny fifangaroana sy ny fisafotofotoana. Tsy gaga ihany aloha ny olana nahita anao tamin’ity lanonana ity satria kisendrasendra sy vintam-boka no nahatonga anao ho teo. Impiry koa moa ny Gasy no afaka hifaly fa dia nohararaotinao ny nanomezan’Ingahy Talé anao ny “fanasana” tamin’ity lanona ity , satria tsy afaka tampoka izy noho ny fotoana mifanindry tamin’ny lanonam-panjakana tsy maintsy natrehany.
Dia io ianao fa ni-style sy niseho ho favy tamin’ny fihetsiketsehana isan-karazany. Amin’ny maha-mpamily mahafa-po anao dia nahazo fiara koa ianao ka tena lafatra mihitsy ity lanonana ity e! Fanararaotra sy fampisehoana ny “maha-ngetroka vaovao” anao ity tantara hamaranana ny taona 2010 ity. Fa tsy nandeha nihoatra ny adiny iray akory anie ny lanonana dia nivadika ho narary ianao e! Narary nisahotaka ny tao an-kibonao tao. Nipiriritra…sasatra ny namonjy trano fisainana fa ehehe, tsy nijanona intsony ny aretina . Koa tsy tonga akory ny tamin’ny folo alina dia iny ianao fa lasa nody namonjy ny trano fonenana. Menantra nagasihasy satria nihevitra fa “revy be tsy hifankahitana” no natrehana. Kanjo tsy maintsy notapahina sy nisaraka mialohan’ny fotoana.
Anjaranao amin’izay no niharitra ny mafy nanomboka teo, satria ireo vady aman-janakao dia lasa tany amin’ny ray aman-dreniny. Dia ho aiza ianao sy ny fiaram-panjakana ? Narary fo sy nanenina tamin’ny fihetsika nanao dingan-dava tamin’ny sakafo.Ny olona nifaly fa hisaraka amin’ny taona nahabe alahelo, fa ny anao dia narary fo nilaozan’ny vay aman-janaka. Teo vao tsapanao fa ilaina koa ny mianatra miaina sy manao ny fanaon’ny olona.
Tsy nisy vola afa-tsy Arivo ariary tany aminao, ary na ny solika hampandehanana ny fiara aza tsy nisy intsony. Tsy sahy nanatona ny namana fantatra koa satria menatra sy nahatsiaro ho dedaka loatra ka niafina. Niaraka tamin-dranomaso sy ny fofona maloto nisantaranao ny taona. Indrisy fa saika hisidina ambony kanjo nilentika anaty maloto. Tsy te-hierika fetin’ny faran’ny taona intsony? Manarina indray amin’ny manaraka e!