mar.

04

janv.

2011

Fanamby tsy azo antoka

Te-hahatoky izay nolazainao ihany ny rehetra r’iny olona iny, saingy ny ahiahy tokoa tsy ihavanana. Valaka niandry am-pahatoniana izay holazaina’iny olona iny. Niovaova hatrany tsinona ilay soratra teo amin’ny fahitalavitra fa nihemotra kely ilay resaka (na kabary), noho ny fanomanana sy ny lafiny teknika maro hafa. Inona indray re ny fitafy hipoitra eto e ? Adiny roa tatyaorian’nyfotoana nifanomezana tsinona vao nipoitra. Nieritreritra manko ny Gasy fa hamoaka fitafy hafa indray iny olona iny, saingy tsy ny fitafy koa no inona e ! Toy ny mahazatra ihany ny fisehoan’iny olona iny tamin’ity indray mitoraka ity. Taonan’ny fanamby sy ny fandrosoana ny taona 2011, hoy iny olona iny. Vao miresaka izany fanamby izany dia tsaroana ny resak’ilay teo alohan’iny olona iny: Efa resaka nataony izany tamin’ny fiandohan’ny taona 2009. Nitetika ny hanao fanamby kanjo zavatra hafa mihitsy no niseho, sa samy manana ny ataony hoe: fanamby? Toa tsy mba nanana olana loatra ny firenena notarihin’iny olona iny, raha ny firesany. Vita an-tsakany sy an-davany daholo tsinona ny fampihodinana ny raharaham-pitantana rehetra teto, na dia tsy nisy aza ny famantsiam-bola ivelany. Raha nihinana anana sy sosoa be ranony izany nandritra ny taona dia ho toy izany ihany no hiseho mandritra ny taona vaovao? Satria tsy nahafaty izany kah!

Ho taona hanantanterahana fifidianana mifanesy koa ny taona vaovao hoy hatrany iny olona iny. Dia niantso ny hery politika rehetra izy mba hifanantona sy hiombon-kevitra ho amin’ny fanantanterahana izany. Tokony hifanaja isika ary hatsahatra ny fihetsika sy ny fiteny mandratra ary ny fihantsiana.Dia manongo tena ny mpitazana r’iny olona iny a! Mba azonao hatomboka aminao ve izany teny mamy sy mahafinaritra izany? Aiza ho aiza amin’ny fihetsika na fiteninao tamin’io faran’ny taona io izao no mitory izany fanajana ny hafa izany? Aiza ilay teny tsy mandratra sy tsy misy fihantsiana? Moa tsy fotoana ve iny tamin’ny farany taona iny mba nisantaranao izany dingan’ny fifampihainoana sy fifanajana izany? Efa betsaka ihany mantsy ny teny navoakan’iny olona iny teto fa mahatonga ahiahy sy fisalasalana hatrany ny zava-boalazany. Mba efa henon’iny olona iny ve ohatra, fa misy voafonja noho ny hevitra navoakany eto amintsika? Efa henony ve fa misy andiana olona na antoko marobe mbola tsy manaiky ny hanaovana ny fifidianana ao anatin’ny fahavaratra? Moa inian’iny olona iny hadino fa misy olana na andian’olona tsy voatanisa mialokaloka any am-pitandranomasina any, noho ny tsy fahafahany mamonjy ny tanindrazany?Moa tsy manana antoka ho amin’ny fahatanterahan’ireo na tsia ny ho fihetsik’iny olona iny?

   Ka iza marina no tena iantefan’ity fanamby vaovao hotontosain’iny olona iny? Sa hoteren-ko masaka toy ny voalobo-jaza indray ny fanekena izay tondroin’ny tanany sy ny fankatoavana ireo rehetra mpiara-miombon’antoka aminy? Tsara manko ny manamarika fa hotsitsiana ny vola amin’ity taona vaovao ity, ary tsy hisy velively ny fampisondrotana ny karama, ary tsy maintsy hahena ny fandaniana amin’ny tsy antony. Teny zato, kabary arivo hoy ny fitenenana kanefa iray ihany no marina…Dia vahotra hatrany izay mihaino iny olona iny satria te-hiaina izay “iray ihany no marina” izay ny rehetra. Tsy aleo mba tanisaina indray ilay marina sy tena hotanterahina r’iny olona iny?

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    tsy aritra (vendredi, 31 décembre 2010 13:52)

    Mety hivaona kely amin'ny loha hevitra voalaza eto ny tiana hambara kanefa fanehoankevitra daholo izany ka ialana tsiny dia ny ety ampiandohana.
    Atao ahoana moa no hi-fety sy hikorana nefa ny tena aza karama kely volana oktobra mbola tsy azo fa hanaovan'ireto mpitondra fanjakana tsy misy ilana azy ireto valy boraingina sy teny anavona.Mpampianatra amin'ny sekolim-panjakana ny tenako ary maro izahay no mbola tsy nandray ny karama fandray isaky ny roa volana.Raha mba ny karaman'ireo FAT ireo moa no tsy omena iray volana monja mba manao ahoana?Na dia fantatra izao aza fa mangalatra no ataon'ireo eto amin'ity Firenena ity fa tsy misy fitiavan-tanindrazana hikatsaka ny tombotsoan'ny daholo be izany eo dia maninona ny olona miasa ara-dalana sy tsy mangalatra toa azy no atao an'izao?Fety ny andro ary mba te hampifaly ny ankohonana nefa aiza?Ny FAT isany anefa nahazo ny tombotsoa sy ny vola nangalarina lasa nanao vakansy sy fety any ivelany izy sy ny fianakaviany,ary isika?
    Mahandry ny tsindrihazo lena ataonareo ny vahoaka madinika anio ary tsy afa manoatra fa dia samy ho tratry ny taona vaovao 2011 daholo isika rehetra ary manantena fa hifarana izao jadona izao manomboka amin'io taona vaovao io ka mba mpitondra hafa mihintsy no ho eo fa tsy ny FAT tsy mahefa na inona na inona.

  • #2

    ratsiferana (samedi, 01 janvier 2011 11:57)

    Ny sasany ve manao vacances de noel any Dubai dia ny ny hafa tsy mahazo karama efa ho roa volana dia ahoana no itoriana Fitiavana amin'izany???Toa mihatsaravelatsihy fotsiny sy te ho deraina ireto mpitondra tsy mamely ireto.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra