ven.

31

déc.

2010

Firaisana ara-nofo: Mila teny kely anelanelany

teniteny atao mandritra ny firaisana ara-nofo. Mampiakatra ny filana ny fahaizana milalao azy amin’io fotoana io. Fihetsika iray ifampizaran’ny mpivady ihany koa ny resaka eo am-panaovana firaisana ara-nofo, raha ny filazan’ny mpikaroka. Misy ireo entin-kenatra ka tsy mahaloapeo. Betsaka anefa ny lehilahy te hampiaraka ny fihetsiny amin’ny teny ary misy tokoa ny sahy. Mila tandremana kosa ny teny avoaka, na izany aza. Mety handratra ny lehilahy sasany izany, na koa tsy hampifantoka azy intsony amin’ny zavatra ilofosany. Inona ary ny teny holazaina ? Tsy mila fehezanteny sarotra be. Ny “moramora, ampio, ambanimbany, ambonimbony …” dia efa mifono zavatra marobe, mampiakatra ny “excitation”-ny. Ao ihany koa ny “tiako ianao” rehefa tonga amin’ny fotoany, izay teny manambatra anareo roa ho iray. Misy indray ny teny somary mivantambantana. Iny kosa no famoahana ilay maha-biby ao anaty, ilay maherihery setra sy masiatsiaka. Saingy mila malina mampiasa azy. Samy manana ny tiany ny olona tsirairay mahakasika ny fiainana ara-pananahana. Nefa raha hampiakatra ny fahafinaretana ny teny kely ifampizarana, inona moa no hahasakana azy tsy holazaina ?

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    demette (dimanche, 02 janvier 2011 12:25)

    dia hoy ilay sipa hoe :aiza mbola alefa aloha aky a! na hoe tiako izany va et vient an i iala izany aky a !

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra