ven.

31

déc.

2010

Fifanarahan’i ESCOPOL sy TIM: Goavana noho Maputo sy Addis Abeba ve ?

Ny finiavana betsaka, fa ny seza no olana ! Miketrika mafy ny hivoahana amin’izao krizy izao ny hery samihafa. Matoa miketrika, mbola manta ny nahandro, ary ahiana ho manta mohaka. Mihetsika ny ESCOPOL mba hifanatona amin’i TIM, ary manomboka mitsiry ny fanantenana eo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Finiavana hivoahana amin’izao krizy mandentika ny firenena izao no atao, saingy misy olona lehibeny avy ireo ankolafin-kery miray latabatra ireo. Dinika tsy misy toy ny natao tany Maputo sy Addis Abeba ireny, saingy nivadika tamin’ny ora farany ny lehiben’ny ankolafy iray, ary izao hiarahana mahita izao ny fiafaran’i Madagasikara. Izao tontolo izao efa nidera iny finiavan’ny samy malagasy iny, saingy nisy ny nanao volo manohariana, ary dia navalona ho any an-jaoridira ny ron-doha lany rehetra. Raha niainga tamin’iny anefa, efa vita toy izay ny fifidianana isan-karazany, ary efa nahazo filoham-pirenena vaovao isika. Ny sehatra iraisam-pirenena tsy nitodi-damosina, ary ny mpanao politika sy ny maramila ary ny vahoaka tsotra tsy nisy naiditra am-ponja.............

Ny nasosoka maty masony

Matoa miezaka midinika ny hery samihafa dia, mikatso ny raharaham-pirenena. Tsy hisy mbola sahy hihambo, fa mandeha ny fiainam-pirenena eto. Raha nahatafavoaka baolina ity FAT ankehitriny, tsy nitady marimaritra iraisana amin’ny ankolafy telo. Tsy nilainy akory ny nampiditra ireo TIM nanao Jodasy ao anaty fitondrana amin’izao, satria inona tokoa moa no mba vitan’izy ireo, raha nanambara fa avy amin’ny ankolafy telo no nidirany ao ? Tsy misy mankato azy ny sehatra iraisam-pirenena, ary mbola voakilasy ho firenena mikorontana tsy maintsy miverina amin’ny ara-dalàna isika.

Ny seza no olana

Mira-miaky ny rehetra, fa tsy azo atao ny mitokamonina. Ilaina ihany koa ny fitoniana ara-politika, ary maika ny fampihavanana. Mifanohitra amin’izay voalaza anefa no hita, satria ny ampidirina am-ponja mitohy, ary ny fanapenam-bava ny tsy mitovy hevitra atao ihany. Tahotra ny hiverenan’i Ravalo sy Ratsiraka eto no betsaka, sao angaha mahazo fitondrana indray ? Midika io, fa seza no mibahana ao an-dohan’ny hafa, fa tsy ny fitiavana-tanindrazana. Raha tena ao amin’ny mpanao politika ny finiavana hamaha izao krizy izao, dia vita androany izany, ary miroso amin’ny fifamelan-keloka. Toa mbola endrika ivelany fotsiny ihany ireto dinika etsy sy eroa ireto, satria rehefa ny lehibe no mitsipaka, dia tsy misy raha manjary eo. Ny mpamendrefondro etsy ankilany tsy mitsaha-mitombo, ary isan’ny olona azo lazaina fa mpmahan-dalitra ireny. Dia hiarahana mahita eo indray ny hambara fa fihaonan’ny TIM sy ity ESCOPOL ity, fa misy farany anie ny faharetan’ny vahoaka izao fahoriany izao e. Vainafo zanany

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    tASTIMO (mardi, 04 janvier 2011)

    izany toe tsaina lomorina sy mirefarefa @ tany io tahaka no mahatonga antsika tsy hifankatia. Afaro haingana sady efa ela be no niandrasany an'i Le 8 sy ratsy iraka fa tsy tonga.TSY MAINTSY GADRAINA IZAY NANGALATRA SY NIHINANA NY FANANAMBAHOAKA. TOKONY VONOINA MIHINTSY AZA

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra