mar.
28
déc.
2010
Hain’iny olona iny mihitsy ny mampihatra io oham-pitenenan’ny Gasy io. Izy akory tsy Gasy toa anao, fa vazahabe. Mahay miresaka sy mahay mihetsika. Mampiavaka azy amin’ny rehetra, ny fahaizany tonga amin’ny fotoana rehetra azo hararaotina sy hisehosehoana. Raha misy antony mbola mahatonga ny fikatsoantsika mianakavy ato anatin’ity kizo tsy misy fara ity, dia mety ho tompon’antoka amin’izany tokoa iny olona iny sy ny firenena niaviany. Milaza matetika iny olona iny fa tsy mitsabaka amin’izay fomba hitantantsika Gasy ny raharahantsika. Ny fomba nahatongavan’iny olona iny teto amintsika nanomboka tamin’ny 18 martsa 2009 dia efa mampieritreritra sy tsy « matiko lolo toy ny fofon-tongolo », hoy ny tanora ankehitrio. Ilay teo alohany mantsy dia nataon’i Ramose roaka mompera fa nandrebireby azy (?). Dia tonga iny olona iny mba hanjaitra ny rovitra sy hamitrana ny mitriatra teo amin’ny fanjakana malagasy sy ny fanjakan’iny olona iny. Fa izy dia be tetika e! Novangiany tany am-ponja tany ny gadra maro be sy isan-karazany nofonjaina noho ny hevitra politika. Ary marobe no nankasitraka ny fihetsiny tamin’ireny, satria tsy misy maharatsy izany............
Raha tsiahivina kely dia mailaka mihitsy iny olona iny amin’ny fanambarana mahakasika ny fivoaran’ny toe-draharaha politika eto. Hainy ny naneho hevitra mahakasika ny fitsapan- kevi-bahoaka teo, hainy ihany koa ny nanameloka avy hatrany ireo andia-miaramila saika haka fahefana tamin-kery teny amin’ny Bani teny. Ny mpitondra ankehitriny koa moa toa maka toky amin’iny olona iny sy ny firenena niaviany isaky ny misy fanapahan-kevitra raisina. Voateniteny hatrany ny fahavoazana nandritra ny taona 2002 sy ny faharavana naterak’izany, nandritra io fihaonana nanana ny endriny manokana io. Ary dia nanitrikitrika mihitsy moa ireto olona notronon’iny olona iny fa tsy ho voafafa velively ny ratra sy ny faharavàna tamin’izany raha resaka famotsoran-keloka sy fifamelana no fototry ny fampihavanana. Sarotra ny hanadino ny nanjo an’ireto mpanao poitikan’iny olona iny ireto. Dia nandrasana izay mba resak’iny olona iny, ny amin’izay ho fiheverany ny fahavoazana sy ny mety hanonerana ny ratra nandritra ny hetsika politikan’ny taona 2009. Tsy nisy! Toy ny tsy nandalo ny taona 2009 ny tantaran’ny firenena fa tonga dia nandingana aty amin’ny taona 2010. Dia izay tokoa iny olona iny. Mahay ny atsy , mahay ny aroa , ary satriny ho mpilalao matihanina hatrany amin’ny famolavolana ireto saribakoly voridambany. Ny Gasy amin’ny ankapobeny kosa dia hangirifiry hatrany amin’ny nangejan’ny firenen’iny olona iny teto. Ny zavabitan’izy rehetra teto, ary indrindra ny mbola tiany hatao eto. Fa ireo Gasy ireo moa dia mbola miandry, satria ady ifanaovan’ny olon’ny “firenen’iny olona iny” no manjaka izao. Atsy ho atsy kosa angamba, rehefa mihaiky iny olona iny sy ny fireneny fa “diso” sy nanao ny “tsy rariny” teto nandritra ny taona maro.
Ndao ndray atsangana ny V.V.S e!
VVS amin'ny ahoana?
vehivavy voretra savolaina ?
