lun.

27

déc.

2010

Politikan’ny fitoniana: Tsy misy ilàna azy

Fahatoniana ve ny fihazonana hatrany mpanao politika izay nanana taratasin’ny dokotera manambara fa marary? Fahatoniana ihany koa ve ny hataon’ny mpikambana ao amin’ny fahefana avo (CST) mamory vahoaka any amin’ny faritany any ary tsy mihevitra akory fa misy didy aman-dalàna mandrara izany? Fahatoniana ve ny fanaovana fanadihadiana eny amin’ny mpitsara mpanao famotorana (mpanao politika na ny fianakaviany) mandritra ny fotoana fialan-tsasatry ny fotoampitsarana? Fahatoniana ve ny handikana ny fihetsiky ny filoha avo sy ny ankohonany nandeha nanao fety any ivelan’i Madagasikara?Tsy fantatra mazava hoe: lasa aiza? Na koa ny fihetsiky ny filohan’ny CT lasa any Frantsa midinika moramora sy mangingina any? Midika fahatoniana koa ve izany?.......

Tsy mendrika ny hiaina fahatoniana vel ively ny firenena tsy mahay mijery ny tombontsoa iraisan’ny mpiara-belona sy ny mpiray tanindrazana. Samy manangam- peo daholo izay rehetra mahay mandahatra sy miteny. Tsy hitan’ny mpampahalala vaovao intsony izay ho vonjena sy hohenoina. Samy miantso daholo izay mananko lazaina rehetra ity. “Avelao ny helok’i Ranona e! Avohay avy any am-ponja Ranona e! Izahay irery no mpanohitra e! Ahemory ny fifidianana solom-bavambahoaka e! Vonona hiatrika fifidianana isika na dia rahampi tso aza e!” Mihatsaravelatsihy R e s a b e d a h o l o n o mitranga etsy sy eroa, tsy hita soritra velively izany fitoniana izany. Ny fitoniana politika handrandrain’ny mponin’i Madagasikara dia ny fahitany eo imasony eo, ny mpanao politikany tsy mifanaratsy fa samy manandratra ny mahamety sy mahatsara ny heviny. Tsy mpanakiana be fahantany fa manana dingana ho amin’ny vaha-olana. Tsy mizahozaho sy mihambo ho manana ny marina ho azy samy irery, fa mihaino sy mandalina ny hevitry ny hafa. Tsy mitompo teny ho manana ny fahamarinany, ary tsy mihevi-tena ho mpaminany ka hakàna fepetra mialoha daholo izay rehetra te-hiteny. Raha ny toetran’ny mpihatsaravelatsihy no manjaka dia aleo tsy misy akory izany fitoniana izany. Kisarisary sy haingo ivelany no iainana andavanandro. Tsy voatery hitovy hevitra tsy akor y mandritra ny fitoniana terenko masaka, izay mahatonga ny kibay an-kelika ihany, ary mifampiandry kendritohina ny ankamaroany. Vao mainka nampitombo ny ady hevitra ilay fanondroana ny datin’ny fifidianana solombavambahoaka. Tsy maintsy naseho ho ren-tany ren-danitra, na dia fantatra mazava ety amboalohany aza, fa tsy mifanaraka velively amin’ny tontolo politika iainana. Nahoana? Satria nolazaina fa efa tafiditra sy miaina ny Repoblika faha-IV isika kanefa nahoana no iniana tsy hampiharina akory ilay lalàmpanorenana vaovao? Nahoana no ampatsiahivin’ny mpanao politikantsika hatrany ny fifanarahana nataon’izy ireo teny ivelan’io lalàmpanorenana io? Ny mpitondra rahateo toa tsy naka tsirony amin’ilay lalàmpanorenana fa voatery hampihatra ny dina politika eny anelakelan-trano (azafady tompoko)? Mandeha ila Tsy maintsy fifanarahana ihany koa vao ho tanteraka izany fitoniana ara-politika izany, fa tsy tongatonga ho azy sy milatsaka toy ny oram-panala avy any andanitra. Raha tsy mifanaraka ny mpanao politika fa misy ny sehatra hiadian-kevitra sy hahafahany mifampihaino dia mbola handeha ila hatrany ny zavatra kasaina eto. Ny fifanarahana dia tsy midika velively ho fitovian-kevitra na koa hoe mitovy fijery. Tsy mety ho tonga saina ve isika fa mifanaraka hatrany ny mpifanandrina vao hita soritra ny haavo lentan’ny fifaninanana? Ny mpandresy amin’ny hevitra tsoa-tokana dia tsy hisy lanjany na oviana na oviana. Tsy ilaina velively ny fitoniana raha ny fomba fanao hatr izay ihany no hampanjakaina satria ve ny kely tsy mba mamindro, ary ny lehibe tsy mba diso?

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    Romy (lundi, 10 janvier 2011 11:21)

    Ny fahatoniana tadiavin'ny FAT dia ny fahanginan'ny mpanohitra, indrindra ireo "légalistes".
    Olona nivelona sy niaina tao anatin'ny lainga toy ny mpanaraka sy mpanohana ny FAT dia tsy azo antoka, aleo mifanena amin'ny mpamosavy.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra