lun.

27

déc.

2010

« Embouteillage »

Nitohana tsy misy ohatr’izany ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra amin’izao andron’ny fety izao. Adiny maromaro mihitsy vao tafavoaka amin’ireo lalana mandalo tsena lehibe toy ny eny Analakely, Behoririka, Ambodin’Isotry, Mahamasina, Ambohimanarina sy ny maro hafa. Inona fa tsy Antananarivo renivohitra mihitsy. Lasa iny ny Noely, ho avy indray ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao. Ilay fitohanan’ny fifamoivoizana tsy mbola niala fa toa vao mainka aza nitombo. Na tiana na tsy tiana dia misy fiantraikany amin’ny fiharian-karenan’ny firenena izany « embouteillage » izany, na dia tsy tsapan’ny vahoaka madinika aza. Ny hafanana amin’io tsy hay lazaina intsony fa tena manevokevoka mafy ery. Soa fa nisy ireo tompon’andraikitry ny tanànan’Antananarivo sahy nanapa-kevitra nidina eny an-dalambe mba hamaha izany fitohanan’ny fifamoivoizana izany. Dia nirotsaka an-dalambe tokoa ireo polisy monisipaly ka nandamina ny fifamoivoizana na dia tsy tokony ho andraikiny aza izany. Raha ireo polisy nasionaly mantsy no andrasana dia hisokatra ny fasana, hoy ny fitenin-jatovo. Vokany, mba nilamindamin-dratsy ilay fitohanana tsy manam-paharoa. Ny indrokely fotsiny dia nampiasan-kery ireo vahoaka hana sy sasatry ny krizy mba te hilaoka tsara sy te hiakanjo mianjaika amin’ny andro fety ka namelatra izay entana madinika mba zakan’ny volany ahodina..............

Fa mbola “embouteillage” tsy nisy toy izany koa eny anivon’ny politika Malagasy. Vokatry ny fibahanan’ny fiara iray, ireo mpitondra ankehitriny io, dia mikatso tanteraka ny fandehan-draharaham-pirenena rehetra. Manampy trotraka izany koa ireo fiara sasany misisitsisika, dia ireo olona na andian’olona na antoko politika maniry sy miady mafy ny hiditra ao anatin’ny fitondrana tetezamita izay efa voabahana tanteraka ny lalana mankao. Dia nikatso, mikatso ary mbola hikatso hatrany izany ny fiainam-pirenena, toy ny nampikatso sy mampikatso ary mbola hampikatso ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny an-dalambe. Na dia efa niezaka nandefitra aty aoriana be aza ireo fiarakodia sasany, ireo olona na andian’olona tsy sanatria mihalangalana fa na manana vahaolana aza dia tsy henoin’ireo mpibahan-dalana teny akory. Dia tsy misy vahaolana. Tsy mba misy akory polisy monisipaly sahy mandray andraikitra hamaha ny olana. Raha misy koa aza izany tsy maintsy hobahanan’ireo fiarakodian’ny mpibahan-dalana maniry ny handeha irery eo amin’ny arabem-pirenena. Sady ilay izy tsy raharahan’ny kominina Antananarivo renivohitra fotsiny ihany fa tena raharaham-pirenena. Enga anie ka nitondra fisokafana iny Krismasy iny

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra