jeu.
23
déc.
2010
Hatrizay ka hatramin’izao dia tsy mbola ankasitrahan’izao tontolo izao mihitsy ny fitondrana tetezamita misy eto amintsika. Takian’izao tontolo izao ny mba hiarahan’ny hery velona rehetra mitantana ny tetezamita tena izy ka hivoahantsika amin’izao krizy izao mankany amin’ny tena repoblika fahefatra. Dia izao iarahantsika mahita izao ny tohiny. Tsy misy afa-tsy ireo fanampiana amin’ny lafiny mahaolona sisa no hany mba azontsika fa tapaka avokoa izay karazam- panampiana sy famatsiam-bola mbamin’ny fampindramambola iankinan’ny ampahany betsaka amin’ny teti-bolam-panjakana. Koa raha mbola midrikina hatrany ireo mpanao politika Malagasy ireo dia vao mainka hihamafy ny krizy. Tamin’ity herinandro ity, nisy indray ilay zotran-dalana natolotry ry zareo Frantsay, mikasika ny governemanta iaraha-mitantana. Hasiana praiminisitra lefitra telo, hoy ny tolotra. Mazava fa tsy maintsy olona avy amin’ireo ankolafy efatra izany no hitantana ny governemanta. Tsara izay hevitra izay raha ho tontosa, saingy moa va tsy ny efa noresahana tany Maputo sy Addis-Abeba ihany va izany? Mba tsy hilazana fa ny tany ihany no horaisina, ka hibitahan’ny nanapa-kevitra tany an-toerana, dia aleo aloha mody io zotran-dalana io no horaisina e!...........
Saingy, iza no hanaiky izany? Na ry zareo efa eo amin’ny fitondrana amin’izao fotoana izao, na ry zareo any amin’ny ankolafy telo, dia samy mbola mampisalasala ihany ny mety ho fanapahan-keviny. Ny ankolafy telo aloha, miankina amin’ny fifandaminana eo amin’izy ireo ihany izany. Tamin’ny herintaona aza, efa vonona ry zareo, mainka fa amin’izao vanin’andro efa mazana be izao. Fa ny eo amin’ny lafin-dry zareo efa mitondra no mipetraka ny olana. Maromaro ihany, hoy ilay tsy mahay manisa, ny vondrombondrona sy antokontokon’olona mitsangana, ankoatra ny antoko anatin’ny Fat, ka iza amin’ireo no tsy maintsy hiala na esorina? Ry zareo parlementera (CT sy CST), na koa ry zareo ao amin’ny HAT (Fat: notendrintendrena tsy niandrasana famotsoran-keloka raha toa ka nilaina izany), ireo rehetra ireo nahazo toerana tsy niandrasana fifidianana ve, hilefitra manoloana ny safidy mety hitranga rehefa hanonona ny anaran’ny olona hiditra anaty governemanta na izay ho lany amin’ny fifidianana ny 16 martsa ho avy izao? Soa fa efa akaiky ny Noely, ka efa nisy ireo mpanao politika no efa nivonona handray an’i Jesoa Zazakely ary namela any ambadimbadika any ny adilahy sy ny fifandirana. Efa nisinisy ihany ireo tonga saina ka mba nihevitra ny hampiditra ireo mpifanandrina aminy ho ao anatin’ny fitondrana. Indrisy anefa fa mbola manana endrika sadasada izany, satria tsy mbola tena nandray an’i Kristy tokoa izy ireo. Tsy ampy velively ny mody famelana ny adilahy fa rehefa dila ny fety dia raikitra indray ny sakoroka. Fa isan’ny nametraka baiko ihany koa teto an-tany i Kristy dia ny mba hivavahantsika ho an’ny fahavalontsika sy ho an’izay manenjika antsika. Raha tanteraka izany dia inoana marimarina fa ho azontsika avokoa izay angatahintsika rehetra, araka ny voalazan’Izy Tompo ihany.
tsy hita fa isika malagasy dia kristianina alahady ,fa mangalatra akoho ny alatsinainy .izany hoe vita ny noely sy taombaovao dia lasa indray mifandrirotra .tsy afaka manatanteraka asa mivaingana
ialana @ny crise mihintsy .fa izay mahita hevitra tsara dia
asina tsininy daholo. raha izao no fandehany dia horesitsika ny record ny cote d ivoir bravo ry panao politika malagasy
