jeu.
23
déc.
2010
Asa raha dia inona loatra no mahazo an’ity kianjaben’ i Mahama s ina , i z ay kianja manara-penitra eto Antananarivo ka ireharehan’ny Malagasy tokoa ny fananana azy io taloha ka mandraka ankehitriny ity. Fanahy iniana mihitsy ny hanapotehina azy io amin’izao fotoana izao, amin’ny alalan’ny fanaovana fety aman-danonana tsy ankijanona. Nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena farany teo, dia nanaovana fampisehoana rindran-kira goavana teo, ka i Rossy no nihira teo. Vokany : potika sy simba ny bozaka, ary tsy nisy mihitsy ny vola natokan’ny fanjakana hanarenana ny simba.................
Ny lasa efa lasa
Nisy fiantraikany tamin’ny lalao iraisam-pirenena farany teo moa izany faharatsiana kianja izany fa dia resy isika Malagas y nanoloana ny Etiopiana. Taorian’io dia nanao ezaka mafy ny kaominina sy ny mpiandraikitra ny kianja mivantana ka nanondraka sy nikarakara ny bozaka natoraly tao, ka dia efa niverina tamin’ny laoniny ny endrik’ilay bozaka. Izao indray dia nanaovana fety indroa miantoana ilay kianja ary tena tsy nisy akory ny mba fampilazana mialoha na fierana fa dia nanjaka ny teny midina sy ny didin-ko fe lehibe avy any ambony. Vokany: simba sy potika tanteraka ny bozaka satria dia feno diana fiarakodia ilay kianja mahafinaritra taloha iny.
An’iza ny kianja?
Ny alahady lasa teo moa dia voatery niandry ora maromaro ny federasiona avy ao amin’ny Lavalava vao afaka nanao lalao tao Mahamasina satria mbola tsy afaka ilay sehatra nanaovana lanonana ny zoma talohan’io. Ny mahagaga anefa dia efa manana kianja natokana hanaovana fety isika fa dia maninona no tsy maintsy atao ao Mahamasina raha ny fitondram-panjakana no mikarakara azy ? Sa amin’izay dia tsy manana kianja tsara intsony Antananarivo ? Satria ef ahatao Antsonjombe?