jeu.

23

déc.

2010

Fifidianana solom-bavam-bahoaka: Hanao fahagagana ny CENI ?

Mety tsara sy mifanaraka amin’ny lalàna velona ny hanatanterahana ny fifidianana solombavam-bahoaka amin’ny 16 martsa ho avy izao, araka ny fanambaràna nivoaka teny Alarobia teny. Azo hiteleman-kozatra avy hatrany ny resaka natao, ary tsy misy volo manoha-randrana. Amin’ny maha- mpikarakara ara-teknika izay fifidianana miseho ny CENI dia tsy manao ady hevitra politika loatra ry zareo. Azo antoka ny fizotran’ny asa rehefa tonga ara-potoana ny fitaovana rehetra ilaina sy mifanaraka amin’izany. Ny daty, izay mbola ao anatin’ny fotoan’ny orana sy tsy mifanaraka amin’ny lalàmpifidianana, dia tsy andraikitry ny CENI velively fa rehefa soridalana vita io, ka mpanantatreraka fotsiny ry zareo. Mety ho hainy angamba hatramin’ny fanohanana ny orana tsy hilatsaka, mandritra ny fotoan’ny fampielezan-kevitra sy ny fotoam-pifidianana (?)..............

Tra-boina noho ny loza voajanahary

Izany resaka lisitry ny mpifidy mila havaozina sy hodinihina manokana izany dia aleo tsy ho resahina intsony satria efa manana traik’efa amin’izany ity CENI ity. Soa kenda kosa ve tsy hahay hitsako e! Fa ahoana kosa ny mety ho fihetsiny indray amin’ny toe-javatra mialoha io fifidianana io ? Hanao ahoana indray re ny fepetra ho takiana amin’ireo mpirotsaka ho fidiana e ? Hisy fiovàna? Halefahana ny fepetra? Hisy dinika ara-politika hamafana ny heloka politika? Hanao ahoana indray ny fepetran’ny fampielezan-kevitra sy ny karazan’olona mahazo mana t antera k a i z any ? Ahoana marina ny fampiharana ny lalàm-pifidianana?

Raha izay rehetra voasoratra ao mantsy no harahina an-tsipirihiny dia tsy ho azo tanterahina velively ity fifidianana ity saingy hanao ny “fahagagana” manavanana azy ity Komity mpikarakara fifidianana ity. Tsy maintsy ho lasa toe-javatra manokana daholo indray izao no litania sy haverimberina ho fiarovana ny fanapahan-kevitra rehetra. Ao anatin’ny mety ho loza voajanahary tanteraka i Madagasikara mandritra ny fampielezan-kevitra, ary dia tsy maintsy hanararaotra fahefana indray ny mpitondra amin’ny fanatanterahana ny tolotolotra etsy sy eroa. Dia hitohy indray ve ny “masobetsimahita”- n’ny Ceni amin’ireny toe-javatra ireny?

Mila hovàna ve ny mpikambana?

N a h a v i t a d i n g a n a lehibe tamin’ny fitsapankevi- bahoaka farany teo ity komity ity, ka mety ho fandanian’andro ny fanovàna ny mpikambana ao anatiny. Ary aza manonofy antoandro raha hisy hametra-pialana izany izy ireo satria mety ho voateritery amin’izay asa hampanaovina azy. Tsy maintsy mbola hametraka olana ho antsika indray ny resaka biletà tokana sy ny fampiasana azy. Mandritra ny fanentanana eran’ity distrika marobe ity, dia mbola mety hifanjevoana ny biletà fanaovana fampielezan-kevitra efa nasiana marika mialoha sy ny olana hafa. Tsy hampihemotra sy hampikoso-maso ny CENI ireo rehetra ireo fa manana mpiantoka naman’ny vonona izy ireo, ka na efa misasaka aza ohatra ny andro fandatsaham- bato vao hisy didy hitsivolana vaovao indray eo dia tsy olana izany fa hain’ny Ceni hatrany ny mamadika izany ho fahombiazan’ny fahagagana ataony. Matezà ny aina hanaraka ny ho tohiny! Ony Rambelo

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    titix randria (jeudi, 23 décembre 2010 15:25)

    ts mahagaga ntson ny ataon ny CENI e,..., ny an ny FAT ihan ny fantan sy arahan nef manao ahoan ny resak maputo zay nosiniavin e ???

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra