mar.
21
déc.
2010
Fanafody iray malaza ho mampihenjana tsara ny filahiana ny Viagra. Raha ny vokatry ny fikarohana amerikana iray natao dia fantatra fa mahasolo tsara ny vokatra ateraky ny Viagra eo amin’ny vatan’ny lehilahy ny “pasthèque” na ny voajabo. Tsy sangisangy izany ! Hitan’ireo mpikaroka tao Texas fa mitovy tanteraka amin’ny fiasan’ny Viagra ny asan’ny singa “citrulline” hita ao amin’ny voajabo. Voalaza fa mahatsara ny fihitaran’ny lalan-dra ny voajabo, izay manampy ny filahiana hihenjana araka ny tokony ho izy. Fanamarihana kely fotsiny. Tokony ho 1,5l amin’ny ranon’ny voajabo no sotroina vao mahafeno ny fepetra mahasolo ny Viagra azy. Momba ny mety ho vokadratsy indray kosa dia voalaza fa mampiakatra ny habetsahan’ny siramamy ao amin’ny ra ny voajabo raha hohanina be loatra no sady mampivalan- drano tafahoatra. Ahitana ny « citrulline » ihany koa amin’ny kaonkombra sy ny voatavo saingy kely fatra tsy sahala amin’ny hita ao anatin’ny voajabo.