mar.
21
déc.
2010
Mirotoroto sy mitrifana hatrany ny fomba hivoahana amin’ity krizin’ny Gasy ity saingy ny olana dia ny momba ny hevi t r ’ i reto maher y fihetsika izay manenjana amin’ny heviny. Mahagaga fa mitady vahaolona daholo ny hery velona rehetra fa misy amin’ny mpanao politikantsika no tsy mba mivonona akory hampandefitra ny hambom-pony. Ireny fihetsika mahery ireny no tokony hitadiavana vahaolana alohan’ny dinika rehetra hatao. Raha tsorina dia tsy tokony hiseho ho mpitarika ny vondrona toy izao sy izao raha tsy mahafehy tsara ny ady hevitra ao anatin’ireny vondrombondrona isan-karazany ireny. Nanomboka tamin’ny aprily 2009 ny mpihazona ny fahefana eto amintsika sy ny mpifanandrina aminy mivantana (ireo nahongany) dia efa samy nahatsapa fa misy andian’olona mpitrifana any amin’izy ireo tsirairay avy. Tsy mety hiova hevitra velively fa samy miseho azy ho dadany. Lasa zary angady mondro tsy mahatapaka ahitra ny mpitarika ka miverina amin’ny tsy misy hatrany ny ady hevitra..........
Iza no mahery fihetsika ?
Milaza ho mpitarika ny fahefam-pitondrana misy, ny Filoha Avon’ny Tetezamita hatramin’iny 21 martsa 2009 nanosorana azy ho amin’ny toerana ambony indrindra eto amin’ny tany sy ny firenena, ka hanao ny asan’ny Filohan’ny Repoblika. Fa efa impiry moa isika no nahamarika fa misy fanapahan-kevitra tsy mety ho azo mihitsy ny dikany sy ny tombontsoambahoaka kendrena amin’izany. Andramana kely dia hiverenana indray. Fotoam-pifidianana firy no efa naverina, na nahemotra? Didy hitsivolana firy no efa novaovana mba entina hanamarinana ny fahefana eo ampelan-tanany ? Efa impiry no namory ireo lazainy ho hery velona isaky ny faritra rehetra teto Madagasikara? Tsy tambo ho isaina koa ny karazana fikambanana najoro mba hikarakara fivoriana na fampihaonana etsy sy eroa fa ny omaly tsy miova ihany no iainana. Izy tenany mihitsy ihany anefa no nirotsaka antsehatra nilaza fa manana lalàm-panorenana holovain’ny taranaka aman-jafy, izy tenany ihany koa no nivolana (ary nihevitra ny maro fa tsy nisy nanery azy) fa tsy hirotsaka amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena ny tenany. Dia mbola izy ihany koa no nandrava ny dinan’i Maputo, nanova izany ho fitondrana ho azy sy ny mpomba azy samirery, avy eo nanangana ny Repoblika fahefatra (mbola tsy iraisana ihany). Raha ireo no dinihina dia ny mpitarika ny tetezamita ankehitriny mihitsy no mahery fihetsika sy mpitrifana ka tsy ahitana ny vahaolana. Satria nahoana ? Efa nanery azy hiova hevitra ny sehatra iraisam-pirenena, mba hanao f i f idianana malalaka sy handraisan’ny hery rehet ra anjara. Ef a nanome fe-potoana azy ny mpitarika sy ny foloalindahy malagasy mba hanazava ny tetiandron’ity tetezamita ity. Efa namotsipotsitra ny tsy mahamety izao fitondrana izao ny Praiminisitra sy ny minisitrany teo aloha. Efa mipongatra etsy sy eroa ny fitakiana sendikaly sy fitakiana ara-tsosialy. Efa feno tsaho sy mampitaintain-dava ny fandriampahalemana.
Narahina ambokony hatrany
Mariho tsara fa tsy misy hevitra avy amin’ny mpifanandrina aminy mivantana (ankolafy telo sy ny mpomba azy) ireo antonantony mahatonga ny mpitarika antsika ho lasa mpitrifana sy mahery fihetsika toy izao. Efa nanaiky ny maha-mpitarika sy mahafiloham- panjakana azy ny filoha teo aloha rehetra mbola velon’aina. Efa nanaraka ny sitrapony ny mpiadidy ny lalam-panorenana eny Ambohidahy. Efa manaraka ambokony ny lalan-kizorany ny foloalindahy malagasy ka tsy sahy akory namerina indray ny fitakiana (afa-tsy ireo vitsy sy tsy ampy tetika teny amin’ny FIGN, Ambohijanaka, BANI). Efa novolavolaina ny lalàm-panorenana tamin’ny alalan’ny fakan-kevitra maro be sy novolavolain’ny 3C. Efa natao tao anaty fikoropahana ny fitsapan-kevi-bahoaka. Efa manaiky ny fahefana eo ampelan- tanany ny ampahany betsaka amin’ny vahoaka malagasy mihoatra ny antsasa-amanilan’ny tokony hifidy. Efa nataony ny programa ho amin’ny fotodrafitr’asa maro sy fanalàna ny fahasahiranan’ny mponina andavan’andro mba hijanonany maharitra eo amin’ny fitondrana. Efa nampiasainy ny fanakatonana ny haino aman-jery sy ny sehatra an-kianja ho fanehoana tsy fankasitrahana ny fitondrany. Efa any am-ponja (sy manana olana amin’ny tribonaly) daholo ny ankamaroan’ny mpitarika ny tolotolona isankarazany. Efa hanangana masoivohon’i Madagasikara any amin’ny sehatra ivelany mankatoa ny fahefany izy. Efa hita soritra fa tsy maintsy hirotsaka amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena ho avy ihany koa ny mpitarika ankehitriny. Fa nahoana no mbola mivoaka sempotra ka mila fifanarahana vaovao? Mila manangana governemanta iraisana sy Komity manomana fifidianana hitambarana amin’ny hafa? Mbola mila firaisankinan’ny Gasy mihoatra izao indray? Atao inona intsony fampihavanana amin’ny mpampihorohoro sy mpanakorontana ary tsimatimanota sy mpandromba ny harem-pirenena? Mbola mitady ny sehatra iraisampirenena izay nanaovana vavabe fa tsy mandaitra tamin’ny mpitondra akory ny sazy toy ny tsipindy ? Sady mpanao afera-na zavamahadomelina sy mpanao bizina ? Sa avadika indray ny resaka fa ireo mpifanandrina mivantana amin’izao fahefana mpitondra izao no mila fifanarahana ? Raha izany no marina dia aza mahery fihetsika sy manao vava tsy ambina raha ny tombontsoam-pirenena malagasy no hokarohina e! Fa raha fahefana sy fitondrana no nanaovana ny tolon’ny fanovàna dia efa mety izao f’aza misahirana intsony.