mar.

21

déc.

2010

“Andriamidaiko”-n’ny Gasy

Hoy ny ankamantatry ny ankizikely fahiny : « Inona ary izany? Ny tetezan’Andriamidaiko tsy misy maha-afaka afa-tsy Andriamidaiko irery ihany ». Sady mikaroka ny valiny ianao no mamaky ny lahatsoratra, ary rehefa tsy hay dia anontanio ny hafa, ankoatra an’i Rainibary. Dia misy manao angovo anie ankehitriny, rey olona, fa hitaingina ny tetezan’Andriamidaiko e ! Vaky roa aman-telo mihitsy ny fikambanana misy an’izy ireo fa hanao be fihiditra ao anatin’ity tetezana hafakely ity. Voaporofo tokoa izany izao fa tsy maintsy hanao tsikarok’alika sy hanao vy very ny ainy ny antoko tsirairay hameno toerana ao amin’ny “tranoben’ny Fitiavana”. Tsy misy dina mazava hifanarahana ho vanona intsony fa samy manao izay hihinanany. Izay no Gasy sy ny politikany. Izay no dikan’ny fanovàna nanaovana angoatenda sy nandrebirebena ny valala tsy mandady harona. Izay ilay fitoniana hokatsahina amin’ireo mpanao politika ireo. Izay ilay antony hanilihana ny fahefana sy ny sehatra iraisam-pirenena tsy hiditra amin’ny “haranan’akoho”. Tsinain-kena aza tsy mendrika an’ireny. Mivadika ho mpamosavy ny Gasy fotsiny raha mbola miresadresaka amin’ireny. Aleo manao an-tsavily amin’ny tranon-kala........

Ho ravarava amin’izay izany ny mety ho fivondrombondronana politika teo aloha rehetra teo. Raha vao miaraka manao rodobe mantsy amin’ny fikarohan-dalana hidirana eo ambony tetezana dia tsy maintsy mifanosika sy mifanjevo. Dia ho raikitra ny fifanomezan-tsiny tsy hita fiafaràna. Efa tena poti-joriry madinika dia madinika anie ny antoko politika eto amintsika eto e! Fa tsy maintsy mbola hizarazara ihany, satria tsy mba hevitra izay maharesy lahatra sy izay hivahan’ny olana eo amin’ny Gasy samy Gasy no karohin’izy ireo. Raha misy mantsy ny hevitra iraisana sy tsy maintsy hizorana ankehitriny dia tokony tsy hisy fahapotehin’izay rehetra efa mba fivondrombondrona teo aloha teo. Inona marina moa no tokony hidirana amin’ity “tranoben’ny fitiavana” ity indray ankehitriny? Tsy famerenana izay efa niseho teo aloha fotsiny indray ve? Misy dia misy ny mpanao politika gasy manazava ombieny ombieny fa tsy maintsy hirosoana ny dingana efa vita, kanefa izy rehetra dia manao dia miverina sy te-hampanjaka indray ny tetezamita lavareny. Tsy fantatra mazava intsony raha mbola hampijoro fitondrana iraisana no mety kokoa sy hamaha olana, na manamafy ny vokatry ny fitsapan- kevi-bahoaka farany teo. Fomba ahoana moa no hampiharana izay tapaky ny safidim-bahoaka kanefa tsy hirosoana sy tsy hampiharina akory ny lalampanorenana vaovao? Nahoana no mbola hamafisina indray ireo andri-pitondran’ny tetezamita Avo? Raha nandao antsika ireo mpanelanelana vahiny, eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia nanambara fa mbola hverina eto amin’io taona ho avy io. Koa nahoana raha famolavolana hery vaovao hitambaran’ny mitovy hevitra no hajoro. Tokony ho fivondronana ivelan’ny fitondrana no ataon’ny mpanao politika Gasy ankehitriny mba ahafahany midinika sy hananany hery vaovao manoloana ny tsy fiovan’ny hevitry ny mpitondra. Izay efa ao anatin’ny tranoben’ny fitiavana ka tsy miombon-kevitra amin’izao dingana ataon’ny fitondrana izao dia tokony hanam-pahasahiana hivoaka avy hatrany ihany koa. Fa tsy sanatria hanamafy toerana sy ho variana manidy trano. Ny ety ivelany indray dia mijery fampivondronan-kery fa tsy hirohotra hianika eo ambony “tetezana voatokana daholo”. “Hala sy tranon-kala” no valin’ny ankamantatra erý ambony raha ny fahaizan’ny ankizy taloha azy. Fa raha amin’izao fotoana izao dia aza gaga raha ho “SPIDERMAN” no havalin’ireo ankizy maoderina… Dia mihevitra ny mpitarika politika Gasy ankehitriny fa matsilo saina sy tena manana fantsy, ka hiaraka hanao an-tsavily amin’Ingahy Andriamidaiko (spiderman gasy). Tsy misy ho afaka handeha amin’ity tetezana fandehanan’Andriamidaiko ity afa-tsy izy tenany ihany. Efa voatondro anie izao ny daty hanaovana ny fifidianana ho solombavam-bahoakan’ny Gasy e! Ka inona intsony no antony hidirana ao amin’ny tranoben’ny fitiavana? Ny daty aza tsy nierana akory amin’ireo olomboatendry efa eo amin’ny toerana? Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra