sam.
18
déc.
2010
I Momota dia mpanakanto tian’ny ankizy, ary raha zaza no tsy ho tia Momota dia malakisa ho tanora. Fa ny olana kely manjo ny zaza Gasy dia tsy ho marobe akory no hahatakatra sy ho afaka hilingitra hijery ny fampisehoan’i Momonta sy ny mpiaradia aminy. Tsy ry Momota velively no hoe: lasa mpanakanton’ny tsara fidiram-bola, fa ny fidiram-bolan’ny Ray aman-drenin’ny zaza Gasy no tsy hahafahany mampilanona ny zanany hijery Momota. Tsy maintsy mila fepetra maro takiana ny amin’ny lanonana toy itony. Mandoa vola ny ankizy, ary tsy maintsy arahina any am-pilanonana any, sao misy mizara vatomamy hafahafa na koa sanatria misy manodikodina any ka hitera-doza hafa indray. Mandoa vola koa izany ny lehibe, ary azo antoka fa ny lehibe indrindra indrindra no hankafy ny hetsika ataon-dry Momota. Ny ankamaroan’ny ankizy mantsy dia vetivety ihany dia mety ho resin-tory ka tsy haharitra ny fampisehoana. Dia alaivo sary an-tsaina fa misy koa ny mpanao ny fihetsiky ry Momonta, ka ny azy dia Momonta politika. Politikan’ny lanonana fandrebirebena sy fandrotsirotsiana zaza hatory............
Efa tamin’ny heriny androany no natao tamin’ny fomba makotroka ny lanonana ho fidirantsika amin’ny Repoblika IV. Iza no tsy hiaiky fa goavana ny fampisehoana teto amintsika tamin’iny andro iny? Fa ny Gasy tsy afa-po amin’ny fety fa tsy maintsy hanaovana “Momonta politika“ vaovao indray. Tsy maintsy hisy haka endriky ny mpanao hatsikana (clown), hampirantiana hatao marevaka ny tanàna, tapahina amin’izay tiana hanaovana azy ny lalana efa tery, ka aleo mba hilanona kosa fa sitra-pon-jaza maroroka no ho tontosaina. Nafarana avy any lavitra any ny mpanakanto faran’izay tena henjana amin’ny famalifaliana ny tanora Gasy marobe. Tsy hikajiana vilany vaky izay vola ho laniana ny amin’ny ho sandany takian’ireny artista ireny. Eto amintsika koa tsinona tsy mba manana artista mendrika ny hokaramaina hamafifaly ny mponina ao aminy? Ny antsika Momota no mba misy sy ananantsika (natokana ho an’ny ankizy ho’aho). Ary raha hoe mbola tsy nisy fetifety tamin’ny heriny androany dia diso ihany raha tsy hampitotorebika ny tanora ny mpanao politika faly noho izao Repoblika vaovao izao. Fitsinjahana anaty fitaintainana amin’ny hafitsoky ny asan-dahalo. Amin’ny fomba ahoana koa no hahatongavan’ny “Momota politika” any amin’ny ”lavitr’andriana” any rehetra any? Miandry ny fotoana fanaovana fampanantenana ny any, miandry ny tolotolotra madinidinika tsy mahavita taona. Miandry ny fotoam-pifidianana. Izany no zara miangatra amin’ity lanonambe isan-kerinandro hampiainana ny “tanànan’ny mandeha ho azy” ity. Mbola hisy hatrany ny mpanao politika hiafina ao ambadiky ny famalifaliana vonjy tavan’andro. Tsy maintsy hitohy ihany koa ny fiainan’ny vahoaka varimbarian’ny lavitra, tsy afaka hiatrika marina ny andavan’andro-piainany. Tsy maintsy hamoronana fety sy hampijerena “Momota politika” hatrany. Moa tsy fanomezana avy amin-dry dadabe noely sy ny momonta politika ny fampaniriana kintana ao anatin’ny tandroka aron’ny vozona ao? Moa tsy finiavana hampiseho hery sy tanjaka ny politikan’ny fiheverana ny vahoaka hoentina ho toy ny zazakely hatrany? Omena izay mahafalifaly azy dia mifitsaka, manaiky, tsy mahalala biby afa-tsy sahona. Tsy misy mahay clown sy mazia afa-tsy ny “momonta politika”. Aza kivy fa efa hitombo izao ny fitiavana, na dia nolevonina sy tsy nosoratana intsony aza ny fahafahana e! Fa hitoetra eo hatrany ny fahafahana mifety! Ony RAMBELO