sam.

18

déc.

2010

Fiainam-piaraha-monina: Miha mahantra hatrany ny malagasy

Mitombo avo telo heny indray ny isan’ireo olona tsy manan-kialofana miaina amin’ny trano baoritra eny antsisin- dalana araka ny fanadihadiana natao. Isan’ny antony nampiakatra io ny krizy lavareny eto amintsika. Mitombo isan’andro ny olona tsy an’asa amin’izao fotoana izao vokatry ny fikatonan’ireo orinasa. Vokany, tsy mahaloa hofan-trano intsony ny olona ka voatery manorim-ponenana eny amoron-dalana. Ny sasany aza dia eny amin’ireny daba fanariana fako ireny mihitsy no matory sady miandry ny fako arian’ny olona mba hitsimponana sakafo.......

Efa misy ihany ny fikambanana tsy miankina mikarakara ireny olona tsy manankialofana ireny saingy mbola voafetra ny isan’ny olona raisina. Anisan’izany ny fikambanana ASA. Hatramin’ny taona 1997 no efa nanombohan’ity fikambanana ity io tetikasa io ary efa nisy andiany 14 no navoakan’ny fikambanana ASA tamin’izany. Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitry ny serasera ao amin’ny fikambanana dia fianakaviana miisa 180 no ezahina harenina amin’io taona vaovao io ary mitohy hatrany ny tetikasa. Hatramin’izay moa dia eo amin’ny fianakaviana 60 eo ihany no raisin’izy ireo. Mila fiaraha-miasa amin’ny fanjakana anefa ny fikambanana tsy miankina tahaka ireny satria mitombo isan’andro ny isan’ireo olona tsy an’asa ireo. Sady fanairana ny mpitondra fanjakana ihany koa izao toe-javatra izao satria raha afaka taona vitsivitsy, aiza no hiafaran’ny vahoaka Malagasy? Ravo

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra