jeu.
16
déc.
2010
Manahirana ny fotoana lalovan’ny firenena malagasy ankehitriny ary tena vao mainka misavoritaka sy tsy ahitana izay mety ho fitoniana. Nambara ampahibemaso fa efa anatin’ny fotoan’ny Repoblika vaovao isika mianakavy. Tsy marina na azo iainana avy hatrany anefa io resaka sy faniriana io noho ny tsy fahatomombanana amin’ny firosoana amin’izany. Tsy afaka hijanona maharitra amin’izao fitondrana tsy manana fototra iorenana izao koa anefa ny firenena fa mety hampiady ary tsy hitondra fitoniana velively izany. Tokony hahatsapa ny mpanao politika rehetra tsy ankanavaka fa tetezamitan’ny fahefana avo no nisy, nandritra izay 20 volana izay. Noho izany dia Repoblika vaovaon’ny fahefana avo ihany koa no natsangany sy najoron’ny “vahoaka mpomba azy” tamin’ny 11 desambra lasa teo. Raha manaiky aminkitsi- po io toe-javatra io ny ambiny amin’ny vahoaka sy ny mpanao politika hafa (izay ambara matetika fa vitsy an’isa), dia lalana tena mahaafaka ny krizy tokoa izao lalan’ny fahefana avo izao, ka tokony ho tapitra izany ny Fahefana Avon’ny tetezamita fa tena any anaty Repoblika IV ny firenena malagasy............
Farano ny fiaraha-mitantana
Mpanao politika manao ahoana loatra ireto mpanao politika Gasy ireto? Variana midinika sy mitady fihaonana amin’ny mpanelanelana vahiny indray mantsy ny ankamaroany ary mitady ny fitoniana politika, hono, araka ny fanambaran’izy rehetra. Ireny dinika ireny dia ho fikatsahana ny fankatoavana iraisam-pirenena, ary indrindra ihany koa ho fanorenana fitondrana hiaraha-mitantana handraisan’ny hery rehetra anjara. Jereo mahitsy ny tanjona: Fitondrana tetezamita vaovao anie izany e! Moa tsy ianareo ireny ihany no nivazavaza tamin’ny sarambaben’ny mponina teto fa efa vita ny fakana ny hevitry ny solontenam-bahoaka marobe nandritra ny fikaonandoham- pirenena? Tsy efa nitsangana ny andrim-pitondrana nandraisan’ny hery samihafa sy ny vondrona politika marobe anjara. Tsy efa henika ny fiaraha-mitantana ny vaomiera mpikarakara ny fifidianana? Tsy efa ny “vahoaka” Malagasy maro an’isa no nilaza ny heviny? Koa raha izany dia atao inona indray fiaraha-mitantana? Angaha tsy nahasolo tena an’izao sy izao indray ireto vondrona politika nitady ny vaha-olan’ny samy Gasy? Tsy efa vondrona politika aman-jatony no mandrafitra ny tetezamita avo? Tsy efa nangarahara ny fitantanana fifidianana nataon’ny Ceni izay masi-mandidy tamin’ny adidy aman’andraikiny? Tsy efa nahemotra amin’ny fotoana tsy fantatra ny fifidianana kaominaly tokony ho natao? Moa tsy governemantan’ny fisokafana sy tsy mitanila no nitondra antsika niampita ny tetezana avo? Koa mahavariana ihany ity mbola ho fisisihana anaty fitondrana hanohy ny tetezamita lavareny ity. Tsy tokony efa natsahatra avy hatrany ny fihaonana amin’ireny mpanelanelana ireny satria mpamporisika antsika hiverina any amin’ny fiaraha-mitantana indray? Ny Repoblika IV dia fifaranan’ny fiaraha-mitantana anaty tetezamita avo, ary tsy mety intsony ny fiandrandrana fankatoavana any amin’ny sehatra iraisampirenena satria efa safidintsika ny nanangana Repoblika tsy ilàna ny sehatra iraisam-pirenena.
Repoblika IV tsy maty hafoy, ary tsy velona hantenaina
Ny Repoblika vaovao izany dia tsy mila intsony fiaraha-mitantana sy hitavandra mpamatsy vola sy fankatoavana. Matoa tafita ny Repoblika vaovao dia efa nahatanteraka ny adidy aman’andraikiny ny andrimpitondran’ny tetezamita avo. Koa izay mpanao politika rehetra mbola mikasa ny hiara-hitantana, na iza na iza, dia tsy tokony hihatsaravelatsihy fa hahitsy fijery avy hatrany ka ho sahy hivolana avy hatrany fa tetezamita vaovao sy Repoblika vaovao hafa indray no takian’izy ireo. Tsy lojika amin’ny fanaovana politika sy ho amin’ny fenitra repoblikana ny hisian’ny fiaraha-mitantana mandritra ny repoblika iray tsy nandalo akory fifidianana (izay namariparitra ny tanjaky ny antoko tsirairay) akory. Ny fisokafana amin’ny hery hafa mandritra ny fitantanana fitondrana manara-penitra dia tokony ho far itan’ny fahombiazan’ny antoko teo amin’ny fifidianana izay nataony. Ity Repoblika IV-n’ny Fahefana Avo ity dia tsy mazava loatra izay tena antony (fikasany?) hampidirana ny tsy mitovy hevitra aminy ao anaty fitondrany, kanefa vondron-kery tsy manome hasina akory ny fitsapan-kevi-bahoka nataony. Na koa tsy sahy niseho mivantana nitsipaka izany. Ireo rehetra ireo no manamporofo fa tsy velon-kantenaina, na koa ho faty hafoy ny RepoblikaIV-n’ny Fahefana avo sy ny tetezamitany, satria ankafizin’ny mpijapy sy kely vovok’aina amin’ny fifidianana. Iza amin’ny mpanao politika Gasy izao no efa mba nivolana hoe” Ho ela velona ny Repoblika faha-IV”? Sa tsy misy sahy?