jeu.
16
déc.
2010
Tsy misy miala eo fa samy tary amin’ny tanàna, hoy ny ankilany. Rehefa tsy mahatanty dia tsy maintsy miala sy mipitika erý hoy ny andaniny. Mifampila vaniny e! Dia mifanasa vangy any anaty haino aman-jery sy ny fampahalalam- baovao maro samy hafa any. Ny mpitarika ny ady (hevitra) toa tsy rototra firy akory fa ireto mpiborosy no tena manao angoa-tenda. Ary ny tena fara-fahoriana dia ny “ankizy“ voaporiporitry ny adin’ny lehibe. Tsy voalohany amin’ny fitantana ity renivohitra ity anie no misy fifamelezana (mivantana sy an-kolaka) eo amin’ny mpitantana sy ny fanjakana foibe e! Angaha ririnin-dasa tsy tsaroana ny vola tokony ho azon-dRamose tamin’ny ministeran’ilay nitondra trakitera teny Anosibe fahiny? Gidragidra izany rey olona a! Filam-baniny tsy nisy toy izany. Ary mbola tadidintsika koa ny nataon-dRamose tamin’i Zandrikely hoe: “hampidino ny tongotr’ialahy” raha nihaona teny Ambohitsorohitra teny izy mianaka. Fa niitatra iny! Ka resaka “zôridira” aza nifamalian’ny ekipan’I Zandrikely tamin’ny ekipan’ny lehiben’ny Faritra. Dia io miverina io ny tantara: Resaka tranon-tSinoa no niatombohan’ny ady fahefana eo amin’Ingahy Minisitra sy ny PDS. Dia ahoana io?.......
Tsy maintsy mifamono lolo sy miseho dadany ve? Efa tantara miverimberina loatra mantsy ny toy izao araka ny nambarantsika etsy ambony, ary tsy eto amin’ny Tanànan’Antananrivo ihany fa isaky izay rehefa vodi-mototra ity dia mifanenjika ara-politika ny samy Gasy. Hevitra taingina fotsiny izany hoe: samy mikendry ny hahasioa kokoa ny faritra iandraiketany izany. Ny tena marina kokoa dia samy beloha, samy mikendry tombony ho azy manokana sy ny fikambananany . Ary ny goavana indrindra dia samy mikendry ny tetika hanjonoana ny mpifidy mandritra ny fotoam-pifidianana ho avy. Tsy tongatonga ho azy sy novolena kianjoanjo fotsiny ny toe-javatra ankehitriny satria samy mahafantatra tsara ny fahamarinana ananany ny tsirairay, na koa samy manana toky amin’izay ekipany avy. Leo ny fisavoritana ireo samy mpanindrahindra ny ekipany avy ireo, satria ny adidy amanan’andraikitra andavanandro efa mampivoraka ny loha dia mbola miampy indray ny olana vaovao sy vao nambolena. Dia inona no vaha-olana? Ady tsy hisy fiafarany no hiseho! Adin’ny samy malemilemy, ady tsy mety hisy mpandresy mivantana. Sadaikatra ihany koa ny mpitondra avo raha handroso vaha-olana mivantana satria toa samy ilaina ny mpifanolana, raha tsy hoe ailika avy hatrany angaha izay hita fa manelingelina? Izay rehetra natosika any ivelan’ny fitondrana anefa ity toa mamoa-doza daholo ary mirohotra any amin’ny fanankianana ny fanehoan-keviny. Dia hampitombo isa indray ny fahavalo ara-politika? Tena tia namana izao fitondrana izao ary tsy vonona ny hanary zanaka mihitsy araka ny efa fomba fiteniny hatrizay, kanefa ampoizina ihany ny toetran’ny manary akama rehefa tonga ny tsotsorimamba hisarahana . Tsy vao voalohany tsinona no efa nisy ny fisarahan-kevitra fa katsaka anaty lapoaly izy ity, ka izay tsy mahatanty mipitika. Fa tsy mety ho fahendrena kokoa ve ny mihataka ho olon-dehibe toy izay hilalao amin-jaza tsy miaro afa-tsy ny”kilalaony”?. Asa moa fa izay mahery hono ,voanjo manga e! ary izay osa naman’ny resy. Resy tsy avela hikofoka intsony. Ony RAMBELO
tsy hita fa raha mbola tany koa ny tany dia tsimaintsyizany faoana na aiza na aiza eto @ity planety ity .ary ireny koa vazha mody miady fotsiny ireny mpiady seza ireny e!rahefa azo ny zava kinendry
adino daholo ny lasa .diany vahoaka no atao famafana tongotra rahefa hiditra ao @ny salon nysasany aza atao patins mahintsy
