mer.

15

déc.

2010

Monja Roindefo: « 600 tapitrisa ariary no anjarako tamin’ny fanamboarana ny lapa”

Talohan’ny niaingan’ny pr amini s t r a t eo a loha handeha ho any Thailande, tamin’ny alatsinainy lasa teo, dia nisy ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety. Tamin’ i z any indr indr a no nanambarany fa nisy anjara biriky notanterahiny tamin’ny fanamboarana io lapan’ny tanànan’Antananarivo vaovao io. “600 tapitrisa ariary no anjarako tamin’ny fanamboarana ny lapa na dia tsy nambara ampahibemaso aza izany”. A n k o a t r a i z a y, d i a nanambara izy fa mankasitraka ny fahatongavan’ny solontenan’ny SADC. “Rariny ny fanelanelanana iraisampi renena sat r ia i lain’ny Malagasy ny fampihavanana”. Nambarany ihany koa ny fototra mahatonga izao krizy lava reny eto amin’ny firenena izao. Tsy inona izany hoy izy fa “ny tsy fisian’ny fifidianana madio sy mangarahara eto amin’ny tany sy ny firenena..................

Tsy manaja ny fepetra samihafa ny mpitondra ka manjary ny vahoaka madinika no lasa sorona amin’ny fanaovana politika. Tokony hisy ny rafitra apetraka amin’ny fitantanana ny firenena ary tokony ny tombontsoan’ny vahoaka hatrany no hojerena fa tsy ny tombontsoan’olom-bitsy.” Ny tena anton-dian’ity praiministra teo aloha ity any Thailande moa dia amin’ny fanarenana ny toe-karenan’i Madagasikara, indrindra ny resaka angovo.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra