mer.
15
déc.
2010
Niainga avy teny Anatirova ny dian’ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita mivady izay naka ny endriky ny Mpanjaka fahiny teo amin’ny fitafy sy ireo mpiambina azy akaiky naka ny endriky ny Tandapa mbamin’ireo mpiaramiasa aminy akaiky notronin’ireo zatovolahy marobe niendrika andia-tafika fahiny fony « ny arivolahy tsy maty indray andro » niaraka tamin’ireo tovolahy naneho ny fitafy avy amin’ireo foko 17 hafa izay nialohavan’ireo mpandihy lahy sy vavy ny sabotsy maraina lasa teo, nandritra ny lanonana goavana roa sosona dia ny fanolorana ho an’ny vahoakan’Antananarivo ny lapan’ny tanana vaovao sy ny fanamarihana ny fanombohan’ny repoblika fahefatra. Moa va tsy toy ny tamin’ny andron’ny faha-Mpanjaka ? Izany ka tena kindriandriana. Nitohy tamin’ny kilanjalanja nandritra ilay fampisehoana maimaimpoana tetsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina izany ny tolakandro. Nampatsiahy tamin’ny andron’ireo Mpanjaka fahiny tokoa. Tsy misy afaka manazava izany, fa ireo mpampahalala vaovao malagasy maro dia samy nanindrahindra fa tafapetraka ny repoblika fahefatra ary naka ny endriky ny Andriana sy Mpanjaka fahiny ireo mpitondra Malagasy. Tsy nisy niteny aloha hatramin’izao ireo nitonona ho taranak’Andriana sy taranaka Mpanjaka izay nidradradradra sy nanaratsy ary tsy nanaiky ny famindran’ny fitondran-dRavalomanana Marc ireo razana Mpanjaka fahiny avy teny Anatirova ho eny amin’ny rovan’Ambohimanga ?.......
Fa ny tena nahavariana sy nampametra-panontaniana dia nahoana no tamin’ny sabotsy 11 desambra 2010 no nanaovana ireny lanonana ireny? “Kisendrasendra ve sa nifanandrify ny naha-vava alakaosy io andro io raha araka ny fanandroana Malagasy no arahina?”, hoy ity Mpanandro Malagasy iray. Andro mahery ho an’ny Malagasy ny alakaosy. Ara-tantara aloha dia isan’ny andro tsara hanombohan-javatra na hanaovan-javatra na hanaganana fanjakana na hanokanana Mpanjaka tokoa ny andron’ny alakaosy. Ho an’ny mpandinika sasany kosa dia nanamarika ny datin’ny 12 desambra 2010, izay fitsingerenan’ny nahaterahan’ny filoham-pirenena teo aloha Ravalomanana Marc. 12-12-10 izay raha atotaly dia manome isa 7. Isa masina izy io ary tena noindraindrain’ny filoha teo aloha tokoa sady toa nahatsara vintana azy raha tsy hitanisa afa-tsy ny laharan’ireo fiarany izay niafara tamin’ny isa 77 sy ny taona 1977 nanombohan’ny fiharian-kareny. Tsarovy koa anefa ny datin’ny 17 martsa izay nisian’ny fanonganampanjakana tetsy Antanimena, ny 7 febroary nihazoana ny lapan’Ambohitsorohitra sy ny maro hafa nandritra ireny hetsiky ny taona 2009 ireny. Foah, foah, foah. Masina hozizy.
Iza no sahy hiteny eo ? Voky izy dia matory ? Hano ny haninana fa ny andriana miaraka amin'ny kisoa !! sa ahoana ?? Ra8 no dondrona fa tsy ny DJ ?
