mar.

14

déc.

2010

Talata

Pasitera Andriamanjato Richard « Tokony hahafantatra ny andraikiny ny olona mitantana ny tanàna »

Ravo Samy naneho ny heviny mikasika ny lapan’ny tanàna vao notokanana tamin’ny sabotsy ireo efa vavolombelon’ny tantara hatramin’izay. Anisan’ireny ny Pasitera Andriamanjato Richard. “ Tsara ny lapan’ny tanàna ary mendrika ny andro vaovao hodiavina”. Ilaina ny fanovana ny fomba fiasa ary ny fidirana amin’ny Repoblika fahefatra dia tokony hanatanteraka asa tsara kokoa noho ny teo aloha. “Tokony hahalala ny ataony avokoa ny tanora mba hahatonga ny firenena handroso. Fa raha tsy ny tanora no mandray ny andraikiny dia tsy handroso mihitsy ny firenena. Misy ny finiavana hanavao nefa mbola misy ihany koa ny fahazarandratsy ka manantena fa tsy hisy intsony ny famotehana ny zava-bita”. Isan’ny nambaran’ny pasitera Andriamanjato Richard io nandritra ny fitokanana ny lapan’ny tanàna tamin’ny sabotsy. Etsy andanin’izany dia « tokony hahafantatra ny andraikiny ny olona mitantana ny tanàna fa tsy variana miady seza fotsiny, hoy izy. Tokony ny tombontsoan’ny vahoaka hatrany no hojerena fa tsy tombontsoan’olon-tokana. »

Mpivaro-tena ao Ivato Efa-jato dia mahazo

Mahantra ny olona, ka izay hahitany harapaka, dia ataony avokoa. Ontsa ny foko sy ny saiko, raha sendra tafody alina aho ny zoma lasa teo, taty Ivato. Nifarana teo amin’ny tsena ny taxibe nandehanako. Somary namirifiry ny andro, ka mba nanendry kely tapaky ny bota aho teo akaikin’ilay kininina ao an-tsena amoron-dalana aho no nisy sipa vitsivitsy nanatona ahy. Mpivaro-tena izy ireo, ary nitalaho mafy tamiko, mba hiaraka aminy. Tsy manam-bola aho, fa amin’ny manaraka, ary tsy nanaiky izany izy ireo, fa dia ny ndao hanao ihany no nasesiny ahy. Roa arivo no miray hoy izy ireo, saingy niafara tamin’ny efajato ny vola aloa ny farany. Eo ambony talantalana ao an-tsena no hanaovana izany. Tsy nanaiky aho fa nomeko azy ilay vola, ary ny toakako ihany no nosotroiko. Ny nambaran’ireto ankizy vavy ireto, dia ny hoe izay hahitanay hihinam-bary no tanjona, satria very asa izay, ka tsy misy hivelomana intsony. Ontsa ny foko, satria izany ve sisa no hiafaran’ny tanora eto amintsika. Mametraka ny veloma tompoko.

Andrianjava Felicien Andrahondry kely

Magro Tanjombato Hipoka tsy nisy artista

Matanjaka ny mpanohana an’i Dada. Tsy ketraky ny horohoro izay mianjady aminy izy ireo, saika isan’andro vaky izao, na miafara amin’ny fanagadràna sy ny famoizana ny ainy ary. Tao anatin’ny fankalazana ny tsingerin-taona faha 61 nahaterahan’i Dada no nihaonan’ny TIM sy ireo ankolafy mpiara-dia aminy toy ny ankolafy Ratsiraka sy ny ankolafy Zafy Albert tao amin’ny Magro Tanjombato ny alahady lasa teo. Nitafa mivantana tamin’ny vahoaka i Dada, ary namerimberina tamin’ny vahoaka, fa tsy maintsy misy farany izao fijalian’ny vahoaka izao. Miantso ny hisian’ny fifamelàna, sy ny fifankatiavana eo amin’ny samy malagasy ny tenany. Nahatsiaro an-dry Fetison sy Pasitera Edouard, ary Zafilahy izay migadra any am-ponja ihany koa ireto mpitolona ireto, ary miandry ny fiverenan’i Dada hitondra indray ny tany sy ny fanjakana. Vahoaka maro no tonga tao amin’io kianja io, na dia tsy nisy artista goavana nanafana ny fotoana aza.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra