mar.
14
déc.
2010
Tsy misy vehivavy mangatsiaka fa ny lehilahy no tsy havanana, hoy ny fomba fiteny. « Frigidité » na tsy fahatairan’ny vehivavy eo ampanaovana firaisana ara-nofo. Mifono zavatra maro karazana izany. Misy ireo vehivavy mahatsapa fanaintainana rehefa manao firaisana aranofo, ao ireo tsy mety mahazo fahafinaretana, misy ireo tsy mety mando … voasokajy ho ao anatin’ny hatsiakambehivavy avokoa ireo. Met y ho ara-batana no mahatonga izany, nefa mety ho ara- tsaina ihany koa, raha ny filazan’ny manam-pahaizana............
Miankina amin’ny fahamatorana eo amin’ny fiainana ara-pananahana ny hatsiakam-behivavy. Betsaka no tsy mahafantatra tsara ny toe-batany sy ny fomba ankafizany, ka tsy mahay mitrandraka izany eo amin’ny firaisana ara-nofo. Voarakitra loatra any an-tsaina ihany koa ny fakana fahafinaretana fa tsy hay ny mamoaka sy miaina azy amin’ny vatana. Indraindray anefa dia mety ho ny lehilahy no tompon’antoky ny hatsiakam-behivavy. Mila 8 ka hatramin’ny 10mn ny vehivavy iray amin’ny ankapobeny hanaitairana azy mialoha ny tena firaisana ara-nofo. Mila manatona mpitsabo manam-pahaizana manokana ara-pananahana ny vehivavy mangatsiaka rehefa manao firaisana ara-nofo, raha olana ara-medikaly no fototra. Raha ara-tsaina kosa dia tena mila mifampiresaka amin’ny vady.