mar.
14
déc.
2010
Repoblika no nateraka, fa toa olona miendrika andriamanjaka no tazana nitarika ny filaharana avy eny Manjakamiadana sy nitsontsorika an’Andohalo ary nizotra nankeny Analakely. Nony tonga teo Analakely dia niova indray ny fitafy, ary dia niverina amin’ny maha olon-tsotra azy ramatoa, fa ingahirainy kosa nihazona ilay akanjo nasalotra azy ihany. Samy sanganehana sy sakodiavatra ireo maro tsy maharaka loatra ny tantara. Maro ny nanontany tena hoe “tsy efa nalevin’ny mpitondra nifandimby teto nanomboka tamin’ny fanjanahan- tany va ny “fitondran’andriamanjaka” ? Tsy efa “fitondrana Repoblikana” va no nisy teto fony niverina ny fahaleovantena tamin’ny 1960 ? Inona no hevitra miafina ambadika tiana horaketin’ireny fihetsika ivelany ireny ? “Fanamarihana ny faha-400 taonan’Antananarivo”, hoy ry kinga saina sasany. Saingy marihina fa teo am-pitsidihana vao nazavain’ilay “manam-pahaizana avolenta” eo amin’ny tantara nitari-dàlana ireto “vahininy” ny “tantara” efa hainy tsianjery. Raha nijanona teo ny tantara niseho tamin’ny sabotsy, mety ho tsy dia nahataitra loatra. Saingy notohizana tamin’ny fomba somary nahavalalanina ihany ilay andron’ny sabotsy farany teo. Nikabary teny Mahamasina ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita, ka teo amin’ny Vatomasina izy no nanao izany. “Nanoso-tena va re razazalahy ?” hoy ny fanontanian’ny maro. Nisy mihitsy aza moa no natahotra ka nanampy ny hoe “Tsy azo anaovantao foana anie eo e!” Valiny: “Izy no mitondra ny tany sy ny fanjakana.” Hentitra sady tsotra..........
Teraka teo ambony “vatomasina” izany ny Repoblika Fahefatra. Ampahan-tantara hafa indray no nisongadina teo. Nialoalo nandritra izany indray ny avelon-dry Galliéni hatramin’I De Gaulle. Asa taiza ho aiza teny amin’ny manodidina io “vatomasina” io no toerana nisy ny solon-dry André Soucadaux, « haut commissaire de la République Française” ankehitriny ? Teraka fa tsy misy filoha voafidy hitarika azy mantsy ny Repoblika vaovao. Hatramin’izao aloha, dia ny filohan’ny Fat no misy. Sady tsy voafidim-bahoaka no tsy nolanian’ny solombavam-bahoaka akory, tahaka ny nifidianan’ireo mpikambana tao Antenimieram-paritany an’I Philibert Tsiranana tamin’ny 1 mey 1959, fara faharatsiny. Sasanangy samihafa. Tsiahivina mantsy fa na dia niteraka adihevitra be aza ny nahalany io filohan’ny Repoblika voalohany io, dia nisy fahasahiana politika nasehony ho fampihavanam-pirenena. Fihetsika nankasitrahan’ny Malagasy azy ny nampodiany ireo depiote telo mirahalahy, mpifanandrina ara-politika taminy noho ny raharaha 1947 mbola sesitany tany ivelany. Velom-panontaniana ihany koa ny sasany fa toa finiavana handika vilana ka hanomezana heviny hafa ny tantara ve na koa hamerezan-kasina ny soatoavina, mitovitovy tamin’izay nilofosan’ny frantsay mpanjana-tany fahiny iny niverina tampoka iny na dia tsy sahala aza ?
Nia ny tena nahakamo sy nampalahelo ahy,de ny tsy nahatsiarovany na dia kely varaventy ireo olona maty t@ 7 février,na dia nitsidika ny tsangambaton'izy ireo aza tsy nataony t@niny andro iny.Izay no mahatonga ny fitenenana hoe fitaovana fotsiny vahoaka fa tsy misy ny fitiavantanindrazana!Ka mba misaina @zay antsika ry vahoaka namana a!
Fihetsika sy fihevitra maneho fanindraindran-tenaq no natao sy nisy nandritra iny fotoana iny fa tsy nisy zavatra nahasoa ny vahoaka na dia kely akory aza.Mitandrema amin'izay isika vahoaka ary aoka ho mailo fa hafahafa ohatran'ny lamban-drazanany ny fihetsik'ity Rajoelina FATn'alika ty.
Fitafy ny madamakely ndray ohatry ny saribakoly ntalo izao ilay niafarany fanovana
