mar.
14
déc.
2010
y h a s i n ’ n y R o v a n ’ i Manjakamiadana. Nanaitra ny maro ny nahita mpitondra ankehitriny niakatra tao an-dRova ny sabotsy teo, ary toa naka ny endrik’ireo mpanjaka tao taloha. Ny tsy nahalala nihevitra hoe nitsangana tamin’ny maty ny Mpanjakantsika, saingy rehefa nozohiana akaiky, dia hay ny mpitondra tetezamita ankehitriny sy ny vadiny. Sarotiny amin’ny fikitihina sy ny fampiasana amin’ny endrika politika ny Rova ny vahoaka malagasy. Isan’ny nanandrana nanao izany ny filoha Ravalomanana ny volana Jolay 2008. Nafindra ho eny Ambohimanga tamin’izany ny razana tao amin’ny Fitomiandalana, ary nanaovana joro. Niarahan’ny rehetra nahita ny tranga niseho tamin’izay, fa niridana tsy azo nosakanana hatraty Ambohijatovo ny omby izay saika ho vonoina tao. Isika rehetra no nahita ny niafaran’ity filoha ity ankehitriny, ary ny feo nandeha tamin’izany aza, dia saika hanorimponenana tao mihitsy izy............
Taona 2010, mbola tsy vita ny Rova, ary misy mpitondra mikitika azy indray, izay ao anatin’ny 11 desambra, vava alakaosy. Misy antony manokana ve ny niakarana tamin’io daty io tao an-dRova, sa sendra mba andro nifanitsy fotsiny ? Ny vato masina mantsy dia mitaky fepetra matotra vao azo hikabariana Io fiatombohan’ny alakaosy io mantsy dia andro mahery, ary misy dikany ilay isa 11 amin’ny olona mpanandro. Tsy misy maha-ratsy ny fomba malagasy, fa ny andro miditra tahaka ny nahazo ny filoha Ravalomanana no tsy laitra amin’ny fikitihana sy fampiasana ny toerana manankasina tahaka ny Rova itony, saingy… poa… poa masina ianao Radada hoy izy… HERY. A