mar.

14

déc.

2010

Mitaraina ny tany

Hivazavaza ny vato mandondona rehefa tsy hiteny (na hiaiky heloka) sy manan’aina eto amin’ity tany ity. Maina sy makiana ny tany, ho karakaina sy ho levona ny tontolo, satria tsy mba misy mihevitra azy ho tompon’antoka amin’izay mety ho adidiny ny mpiara-belona. Very sy tsy misy tompon’antoka amin’izay fihetsika nataony ireo manan’aina. Koa aza gaga raha mitaraina ny tany. Mitaraina ireo te-hifototra amin’ny maha-harena ny tany sy ny tontolony. Marary ny tany, mandeha mizotra mankany amin’ny fahafatesana? Tsy mirindra intsony ny tontolo. Lasa any amin’ny tsy azo antenaina intsony ve ny ranon’orana? Sa tsy hisy intsony izany mandritra ny fotoam-pahavaratra? Tsy efan’olon-tokana na vondron’olona vitsivitsy ny fiarovana ny tontolo iainan’ny manan’aina; ary izany indrindra no hitodihan’ny mpiaro ny tontolo iainana amin’izay rehetra mbola mahatsiaro saina amin’ny ezaka ho an’ny mpiara-belona. Kanefa ve raha andian’olona sy vondron’olona samy hafa no mpanimba ny tany dia tsy maintsy ho rava ny tany? Eny! Izany no voatondro amin’ny ohabolan’ny razana fa: ny fandoto iray tandroka tsy hahaleo ny fandio iray siny..................

Toa zava-bitika sy tsy misy lanjany loatra izany kanefa tsy mijery afa-tsy ny anio ihany. Efa niala sasatra sy nihamikamina teo ambony seza lava vita tamin’ny voamboana ianao, saingy efa namboly , na nampamboly kesika iray tany an’ala tany? Io rano arinao sy tsy asianao vidiny isan’andro ao an-tokatranonao io ve mba azonao an-tsaina fa tsy novokarin’ny volanao? Fa tontolo voajanahary no namorona sy azo ianteherana amin’izany. Fa tsy zava-maniry sy rano, ary habaka ihany ny tontolo iainana mampitaraina ny tany, fa eo ko any toetran’olombelona izay minia mikimpy amin’ny fanampahan-kevitra tiany hanajan’ny tontolo azy. Misy olombelona tsy maintsy hapetraka ho ambonimbny kokoa noho ny hafa ary manandra-tena ho mahalala koakoany mahasoa ny mpiara-belona aminy. Tsy te-haka ny hevitry ny hafa mba hiarovana ny tontolo tsy ho ravaravàn’ny “hadalana sy ny fifamonoana”. Misy dikany sy fampandrosoana ho an’ny tontolom-piaraha-monina mitofezaky ny hanohanana sy ny fikarohana ny hanina isn’andro ny famalifaliana azy aminjavatra mandalo sy tsy fantany akory ny antony hanaovany azy? Moa tokony hampifaliana eo anatrehan’ny faharavàn’ny tontolo iainany andavan’andro ny mpiara- belona tsy mamam-potoana isainana sy ampitsony? Efa naseho azy ireo fa ho mafy ny olana ateraky ny hain-tany mety hiseho atsy ho atsy? Efa fantany fa tompon’antoka izy raha misy ny fifamonoana noho ny hanohanana. Tsy sanatria miverina amin’ny lalànan’ny “any ana’ala sy ny didin’ny besandry ny firenentsika? Tsy marina ny fanamparana ny ” fitiavana” mitady sitraka amin’ny anio fotsiny. Tontolo ravarava sy tsy hisy tanjona hiafarany ny famelana ny mpiarabelona samy hanao izay saim-pantany amin’ny hadalany. Ary vao mainka hamono tena eo anatrehan’ ny tontolo ireo faly amambolony fotsiny amin’ny fandrehetana ny “afo” mba hilomanosana anaty fahorian’ny hafa. Mampitaraina ny tany sy ny mponina ao aminy ny fisehosehoana ivelany sy ny fanaovana beloha amin’ny hevitry ny tena manokana. Sarotra ny lalalana mitondra fiadanana. Fiadanan’ny saina tsy misy ahiahy ho amin’ny “firehetan’izao tontolo “ iainantsika izao. Lova tsy azo simbaina ny tontolo napetraky ny razantsika, ary voalohany amin’ireny ny “olona” sy ny momba azy manontolo. Koa raha ny olona no potehina noho ny heviny, noho ny firazanany, noho ny fihaviany, noho ny fahaizany, noho ny fiharian-karena ananany…dia izany no mampitaraina ny tany sy ny mponina rehetra ao aminy. Efa miroso amin’izany isika fa aoka ianao hitandrina sy handinika. Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra