ven.

10

déc.

2010

Zoma

Mamy Rakotoarivelo: Handoro marina ny lapan'ny tanàna ve?

Izay indray no voalazan'ingahy kolonely raha niresaka tamin'ny mpanao gazety izy. Nampiany moa fa mpanatanteraka asa fampihorohoroana telo no efa saron'ny mpitandro filaminana avy ao amin'ny Emmo Reg hatreto. Toa efa tena maty paika sy efa vonona tsara daholo hono ny fanapotehana ity lapan'ny tanàna vaovao ity. Ny mahagaga ny olona dia toa mahita zava doza foana ilay ranamana lehiben'ny EmmoReg isaky ny hisy hetsika na fety ataon'ny fitondrana. Tetika ihany izany hampisehoana amin'ireo lehibeny ve fa izy no tena mahay?

Repoblika fahaefatra: Manomboka rahampitso ny fety

Miditra amin'ny Repoblika fahaefatra ny firenena manomboka rahampitso. Efa voahoman'ny mpitondra HAT avokoa izany ary dia hotokanana amin'izany koa ny lapan'ny tanàna vaovao. Mitobaka indry ny revy, faly ny artista, ny koa ve vahoaka?

Enga anie ka tsy ho revy sy ditra ity repoblika fahaefatra ity

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra