ven.

10

déc.

2010

SOS Tsy ampy hetsaka …

Toe-javatra mety hahazo ny olombelona (ny vehivavy) ny tsy fahampian’ny firaisana ara-nofo. Mety hanampy ny olona sendra miaina izany ireto torohevitra vitsivitsy atolotra manaraka ireto. Azo soloina fanatanjahan- tena tsara izay fotoana tsy maha-ampy hetsaka izay. Maro ny safidy toy ny hazakazaka, ny dia an-tongotra. Sady manary ny angovo ao amin’ny vatana izany no mahatsara ny bika ihany koa. Mivoaka miala voly fotsiny ihany koa dia efa mety ho an’ny vehivavy tsy ampy hetsaka. Afaka miara-mikorana amin’ny tapaka sy ny namana izy, miaraka manala azy, amin’izay itiavany azy.............

Voalazan’ny fikarohana ankoatra ireo fa fanafody mety manasitrana izany ny fanarahana karazana horonan- tsary momba ny fitiavana. Ho an’ny vahiny moa dia misy ny fitaovana maro azo ampiasaina, fantatra amin’ny hoe “sex toys”, izay misy amin’ny endriny sy ny lokony ary ny fomba fampiasana azy maro karazana; Rehefa tena tsy tanty intsony, araka ny lazain’ny manam-pahaizana ihany, fa tena mila tanan’olona hanafosafo sy hanome fahafinaretana dia mety ny mifandray amin’ny olo-tiana taloha, saingy tsy mbola manambady … Ifanazavana fotsiny ny fifanarahana dia tsy tokony hisy ny olana sy ny fifanenjehana aoriana.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra