ven.
10
déc.
2010
Antananarivo RenivohitraHo PDS I Hajo Andrianainarivelo ?
Ho Voailika tanteraka tsy ho Filohan’ny Delegasiona manokan’ny Tananan’Antananarivo Renivohitra ve Atoa Egard Razafindravahy? Ny saoan-dresaka niely hatry ny omaly tolakandro teto andrenivohitra no nandrenesana fa Hajo Andrianainarivelo, minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny fitsinjaram-pahefana no hotendren’ingahy Andry Rajoelina ho filohan’ny Delegasiona manokana hitantana an’Antananarivo Renivohitra aorian'ny fanovàna ny governemanta iraisam-pirenena. Re koa manodidina izay vaovao izay ihany fa homanina ho kandidà atolotry ny antoko TGV hofidina ho Ben’ny tanàna eto Antananarivo ity ministra ity, rehefa ho tonga ny fotoana hifidianana izay ho ben’ny tanàna izay.