ven.

10

déc.

2010

Olona hanakorontana anio: Tena mpaminany ny FAT

Mahita Volana alohan’ny Habib. Izay no azo hanambaràna ny fomba f ias a ankehitriny, raha tsy hilaza afa-tsy ny lanonam-be karakarain’ny FAT amin’ny fitokanana ny lapan’ny tanàna etsy Analakely. Hisy olona an-jatony hono nokaramain’ny mpanohitra hanakorontana etsy Analakely, ary mpanao politika am-polony mbola ao amin’ny mpanohitra no haraha-maso ? Mahatalanjona tokoa izany, fa isaky ny hanao zavatra ny fitondrana tetezamita ankehitriny, dia tsy maintsy mahita ambara hatrany. Tsy vao izao no nandrenesana toy izao fa efa hatry ny ela, toy ny tamin’ny resaka baomba, ary raha tsy mbola nandeha akory ny fanadihadiana, dia ministra iray ao anaty governemanta no efa nanonona anaran’olona ambony niaranisa tamin’ny mpitondra teo aloha ho ati-doha mikotrika tamin’izany.................

 

Tena mpaminany mihitsy ireto mpitondra antsika ireto, fa vitany hatramin’ny faminaniana ny isan’ny olona hanakorontana hoy ny feo nandeha teny anivon’ny vahoaka io omaly io. Dia lasa ihany ny saina manao hoe kilasian’ny firenena any ivelany ho mpanao asa fampihorohoroana ve ny mpanohitra eto, raha vao mandre ireny resaka nivoaka an-gazety ireny izy ireo ? Inona no hambaran’ny mpanohitra manoloana izao, fikilasiana azy ireo ho mpanao politika tsy maty voalavo an-kibo? Ny fantatra aloha, dia olona mpanohitra folo no nantsoina eny anivon’ny mpitandro ny filaminana, hatao fanadihadiana, ho isan’ny atidoha mikotrika izao asa ambara ho fanakorontanana izao. Dia sanatria ve ka mbola savorovoro sy fanenjehana ny tsy mitovy firehana amin’ny tena toy izao no hidirana any amin’ny repoblika faha-efatra ? HERY. A

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    ratsiferana (samedi, 11 décembre 2010 14:50)

    Nareo mianakavy ihany no handoro ny lapanareo sahala amin'ny nandoranareo ny fananand-Ravalo.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra