ven.
10
déc.
2010
Tsy ny mpamonjy akory no ho teraka mialoha ny fotoan’ny Krismasy na ny Noely mahazatra antsika isan-taona, fa ny anjelikelin’i Madagasikara no teraka ho antsika Gasy anio, ao an-tanànan’ny “Fitiavana-Tanindrazana-Fandrosoana”. Tsy Magy reraky ny fiandrasan’ondry miisa telo no hiankohoka sy hanome voninahitra izao fahaterahana indray izao, fa olona manan-kaja amim-boninahitra mihoatra ny 6000. Tsy manampaharoa ny lanonana ho tanterahina satria eo amin’ilay kianjan’ny fitolomana no nijanona sy niato ny fanarahan-dia ny kintana manan-drambo. Be kintana marobe no hiaro ny anjelikelin’i Madagasikara sy ny zava-noforoniny, noho ny feo niely fa misy demony lavarambo tsy matahotra ny hatahorako, mikasa ny hamindra ny afobe any amin’ny farihy mirehitr’afo, ho eto amin’ity kianja manan-tantara ity. Hafaliana sy toto-rebika ny fisehon’ity fahaterahana vaovao anio ity: Miainga eny amin’ny Lapan’ny Deba taloha no hamakiana ampahibemaso ny kopia nahaterahana, izay efa nolazain’ny mpikarakara sy ny mpampivelona fa” velona tsy azon-doza” ilaikely. “Lahy ialahy“, hoy ny horakoraka tsy nifandrenesana eran’ny tanànan’ ny Arivolahy. Vetivety dia niampita eran’ny tontolo rehetra satria ny “ranomasina tokoa no valamparihin’ny fampitambarana” antsika Gasy eto amin’ity tany nomen-Janahary antsika ity. Izay rehetra tsy ho faly amin’izao dia tena mpamosavy mpamorika ny mpianakavy sy sain-kanina ka tsy mety hiara-hikorana amin’ny betsaka efa mihoatra ny antsasa-manilan’ny “nasaina hivolana ny heviny”. Dia hidina haka ny endriky ny maha-zava-bita azy ny anjelikely vaovao ka hoentina eny am-pamoloana, sy eny amin’ny kianjam-pamoronana “ronono an-tavy”
Hotsiahivina eo ny taona marobe efa lasa nolalovan’ity kianjan’ny fikarohana fahefana ity. Noravàn’ny afo efa tany amin’ny taona marobe lasa tany aloha tany ny tranom-bakoka teto amin’ity famoloana manan-tantara ity. Fa na dia mena toy ny jaky aza ny fahotantsika rehetra tamin’ireny hadalàna tia dorodoro sy fanimbàna ireny dia azo antoka kosa ankehitriny fa efa eto amintsika ny famonjena, ka efa lehibe isika izao fa tsy ho toy ny tamin’ny taona lasa intsony. Nenina be vava ireny natao teny Anosy, teny amin’ny fitehirizam-peo sy sary ireny. Aza eritreretina mihitsy fa mbola hiaina olana saro-bahana ny firenentsika, aza sainina sy atao handalo an-tsaina akory fa mbola sahirana amin’ny fitadiavana sy ny tolona amin’izay harapaka isika. Izay rehetra manelingelina amin’ny firosoan’ny anjelikely tsy manan-tsiny amin’izay rehetra ao an-tsainy sy hampanaovin’ny mpaniraka azy, dia efa nambaran’ny mpaminany mialoha daholo. Efa hita sy tsy afa-mikofoka intsony ireny dinta mpanimba ny tany ireny. Efa tsara laro ny “tangena” eny Ambatondrafandrana raha miadaladala sy mitsamboamboatra toy ny akotry an-daona eo. F’angaha tsy tsaroantsika ny anganon’Inenibe fahiny ireny ? “Raha andrian-dray aho, raha andrian-dreny dia ataovy ho Anjelikely tsy mana-tsiny sy tsy mety diso ny mpitondra sy mpanapaka eto aminay”. Ho ela velona hifanantitra amin’ny Ambanilanitra! Oay! Saika hadino ny nanolotra ny zava-manitra sy ny miora, miampy volamena avy amin’ny Magy reraka telolahy. Sa andramena (bois de rose) no tianao sy mety kokoa? Ony RAMBELO
Tsy aleo ve miankohoka etsy am anjely mainty etsy Anosy toy izay hiankohoka amin'ity anjely kely tsy manan-tsiny voalazanao...ahoana hoy ny baiboly tamin'i Jesosy nalaina fanahy:"...indro omeko Anao ny zava-drehetra raha miankohoka kely eto anatrehako Ianao..."Mazava fa ireo 6000 voalaza ireo dia mpisolelaka sy mpitady toerana hambotry Firenena hiaraka amin'ny FATn'alika.
