ven.

10

déc.

2010

Raharaha BANI: Taratasin’i Kolonely Charles ?

Araka ny soratanana mitondra ny sonian’ny Kolonely Charles, dia nanambara ny heviny izy ka mitsipaka marindrano ny tsaho niely fa nandray anjara tamin’ny hetsika teny amin’ny BANI Ivato ny tenany mba hanamorana ny fisamborana ny Jeneraly Raoelina. Voasoratra amin’ny fiteny malagasy moa ny taratasy ka tsy ilaina fandikana na famintinana intsony. Raha asiana resaka kosa ny fanambaran-kevitra toy itony, dia matetika mizara roa ny fijerin’ny mpamaky hiantefany. Fomba fijery samy hafa, arakaraka ny fiandaniana atsy na aroa. Ny mpanohana ny fitondrana tetezamita, dia tsy omena tsiny raha hilaza avy hatrany fa fandiovan-tena fanaon’ny voampanga ihany ny toy ireny. Ao koa no mety hilaza fa fanamarinan-tena efa mahazatra fanaon’izay voampanga izany. Raha ny mpanohitra kosa indray ny hanontaniana ny heviny dia mety hilaza ry zareo fa tsy tokony ho tampenam- bava hilaza ny heviny na teratany iza na teratany iza satria izany no manamarika ny fisian’ny demokrasia. Ary izao nosoratan’ny Kolonely Charles izao dia mitombina tokoa satria raha eken’ny rehetra tokoa fa kitro ifaharan’ny fampihavanana ny Foloalindahy, dia hilamina ny fiarahamonina. Ny fitsarana ihany moa no tompon’ny teny farany amin’ny alalan’ny didy havoakany, koa asa na hitombina na tsia, fa tsaho ihany tokoa ny feo niely fa fandrika nataon’ny Kolonely Charles hahazoana ny Jeneraly Raoelina iny hetsika teny amin’ny BANI Ivato iny.

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    Ratsiferana (vendredi, 10 décembre 2010 19:41)

    Tena tombotsoam-pirenena marina ve zany rehetra zany sa mbola tombotsoa manokan'ny tsirairay ihany e?Fanina ny vahoaka fa ze marina lazaina...

  • #2

    Romy (lundi, 10 janvier 2011 11:36)

    Ny famoahana toy izao dia anjaran'ny tsirairay no mandanjalanja, manaraka ny tantaram-pirenena fa tsy mihinana ambolony izay lazain'ny sasany, fa ny marina ho anao tsy marina ho an'ny sasany. Izany no fankanesana any amin'ny demokrasia.
    Ary tokony hietsika daholo raha marina no voalaza fa tsy hiandry ny sasany hietsika.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra